Politique

CST sy CT Mandany vola tsy misy “résultat”, hoy Randrianasolo Jean Nicolas


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2011

Somary nanaitra ny namany sy ny mpanao gazety ny nahita ny fiakanjon’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Randrianasolo Jean Nicolas, tamin’ny fotoam-pamaranana ny fivoriana tsy ara-potoana voalohan’ny Kongresy ny zoma 05 aogositra lasa teo.

 Raha « complet” miaraka amin’ny karavato mantsy no ahitana azy matetika eny amin’ny Lapan’ny Tsimbazaza eny rehefa mamonjy fivoriana dia nirebareba akanjo lava sy nisatroka fanaon’ny Silamo ny lehilahy tamin’io omaly io. Tsotra ny valin-teny nomeny raha nanontaniana ny anton’ity “new look” ity izy dia ny hoe : “ao anatin’ny Ramadany izao ka mampiseho ny maha Silamo ny tenako aho”. Raha ny mikasika ny toe-draharaham-pirenena sy ny fandinihana ny resaka fifidianana natrehan-dry zareo tao anatin’izay 12 andron’ny fivoriana tsy ara-potoana izay dia nanambara ity CT ity fa ny fifidianana parlemantera aminy no laharam-pahamehana satria be loatra ny vola lanin’ny CST sy CT ankehitriny nefa tsy misy “résultat” na vokatra.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT