Politique

CST Rasolofo René Niharan’ny sazy tany Seychelles


  • Alarobia 30 Novambra 2011

Diso izay nihevitra fa raha vao vita sonia ny tondrozotra teny Ivato dia ho tonga ny fanampiana, ho azo ny fankatoavana, hoy ny CST Rasolofo René fa misy fepetra izany.

 . Misy lelam-pitana ao anatin’ny andininy faha-40 amin’ilay tondrozotra, hoy izy, ka mila mitandrina isika mianakavy sao mitelina zava-doza. Raha izaho no nanao sonia dia nangatahiko hoesorina tao aloha io andininy io izay milaza fa miandalana ary arahina fepetra, arakaraka ny fampiharana ireo dingana samihafa amin’ny tondrozotra, ny fampiatoana ireo sazy nampiharina amin’i Madagasikara. Nijoro vavolombelona ny tenany fa tena niharan’ny sazin’ny Vondrona Afrikanina tany Seychelles ka navahana tamin’ny mpandeha fiaramanidina rehetra noho ilay sazy mihatra amin’ireo olonan’ny FAT miisa 109, manan-kery hatramin’ny martsa 2010. Tsy miady tsy miady nefa ny kibay an-kelika ihany, hoy izy.

Mila mitandrina isika fa arakaraka ny mahaela ity tetezamita ity no mahavery ny harentsika. Fa isika misavorovoro, ny olona efa mikononkonona ny fakana ny vondronosy “Eparses” izay misy harena ankibon’ny tany sy solika avokoa izy ireo (Nosy Garcia, Juan de Nova …). Gaboraraka ny fiarovana ny sisin-tanintsika mbola heverin’ny sasany hotohizana toy ny tany Somalia. Tsy mendrika ny vahoaka Malagasy izany fa tsy maintsy halamintsika ny firenena, hoy Atoa Rasolofo René.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT