Politique

CST Rasolofo René Mila fanitsiana haingana ny fitantanan-draharaha eto


  • Alatsinainy 14 Janoary 2013

Matoa tsy mbola nipoaka ny sarom-bilany hatreo, hoy Atoa Rasolofo René filohan’ny Vaomieran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana siantifika ao amin’ny CST, dia ilay vilany mihitsy no efa vaky.

 Mbola tazana manodoka avy ety ambony ilay sarom-bilany ka raha tsy mitandrina isika dia ho vakivakim-bilany sisa no aondrantsika any ivelany. Raha tsiahivina tamin’ny andro taloha, hoy ity CST voatendry avy any Antsiranana ity, dia mbola fikoranana tsy misy fiafarany ny an’ny vahoaka ny volana janoary hatramin’ny febroary mihitsy aza any an-tanàna rehetra any noho ny fifamangian’ny mpianakavy nahatratra ny Asaramanitra.

Ankehitriny anefa vao miandoha ity ny herinandro voalohan’ny taona vaovao dia efa ritra avokoa ny eo an-tanàna rehetra ka zary tsy manan-katokona ny isan-tokantrano. Mila fanitsiana haingana ny fitantanan-draharaha eto amin’ity firenena ity hanarenana izany, hoy ny CST Rasolofo René. Izao aloha dia tsy ahitana taratra izany fiaraha-mitantana izany mihitsy fa mbola olon-tokana no mandidy sy manapaka izay tiany hatao amin’ny lafiny rehetra. Somary namely kely ny resaka mandeha ny amin’ny hoe anisan’ireo niangarana manokana ka nomena ny trano mora any Antsiranana ny zanany ity CST ity. Nambarany fa fanosoram-potaka sy fitadiavana irika handotoana azy manokana ny filazana izany. Afaka manangana trano manokana ho an’ny zanako aho, hoy izy, raha ilaina izany.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT