Raha ny tokony ho izy dia tapitra tamin’ity taona 2013 ity ny fe-potoana niasan’ny filoha Marc Ravalomanana saingy niara-nahita sy namantatra ny zava-nisy.
Raha nizotra araka ny tokony ho izy anefa izay fotoam-pitondrana izay, hoy ny CST Fanantera Longin da efa nisy fandrosoana azo notsapain-tanana. Toy izany koa ny any amin’ny Faritra Androy. Nasiany resaka ihany koa ny momba ny teny filamatry ny FAT ny amin’ny hoe : “fitiavana” kanefa raha ny fihetsika’izy ireo dia ny mifanohitra tanteraka amin’izany. Mikasika ny dian‘i Andry Rajoelina tany Israely indray dia nambaran’ny CST Rasamimaka Mahefalahy fa mahafaly raha tena nampiova fo an’i Andry Rajoelina iny diany tany iny satria dia hitondra ‘miracle’ ho an’ny fiainam-pirenena izany.
Andrasana izay ho lahateniny amin’ny 9 janoary, hoy ny Me Mahefa ary manomboka izao koa dia tokony hoesorina avokoa ireo tsangambato sy sampy manerana ny tanàna. Ary raha tsy izay no hitranga, hoy ny Me Rasamimaka dia mbola azo ambara fa sinema avokoa izao fihetsiketsehana rehetra izao. «Mamita-bahoaka, mamita-tena ary mamita-taranaka i Andry Rajoelina», hoy ihany izy. Mbola nohamafisin’ny CST Fanantera Longin ihany fa tsy tokony hieritretritra izay ho solon’ny filoha Marc Ravalomanana ny Zanak’i Dada fa rehefa tonga eto an-toerana izy vao hifampidinika. Ankoatra izay dia nasiany resaka ihany koa ny filazan’i Monja Roindefo fa aminy dia tsy tokony hilatsaka na i Marc Ravalomanana na i Andry Rajoelina. Sao hadinon’ity praiminisitry ny FAT teo aloha ity, hoy ny CST Longin fa anisan’ireo nanao ‘V’ teny an-kianja ny tenany. Momba ny lanonana eny Iavoloha indray dia nambarany fa ho eny hanotrona ny filohan’ny Kongresy ny ankolafy Ravalomanana amin’ny alarobia 9 janoary ho avy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.