“Efatr’andro nahitam-bokatra ny dianay teto Toamasina nandritra ny fanadihadiana nanirahana anay”. Izay no nambaran’ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita anaty vaomiera mpanadihady manokana tao Toamasina.
“Antontan-taratasy maro sy vaovao betsaka no voaangonay izao, ka harafitra ho dosie mafonja ireo ary hampidirina fitsarana. Tsy maintsy hampahafantarina vahoaka ihany koa ny tena zava-nisy marina ny asa nataonay na olom-boatendry aza izahay”, hoy hatrany izy ireo tao amin’ny efitrano fivorian’ny Faritra Atsinanana ny zoma tolakandro teo. Ny teo amin’ny resaka harena an-kibon’ny dia Ambatovy, MainLand, Gallois ary ny talem-paritry ny harena ambanin’ny tany no nanaovana fanadihadiana araka ny fampahafantarana nataon’ny CST Betiana Bruno. Ny fakana vaovao sy fanangonana ny antontan-taratasy no nataon’izy ireo. Fantatra araka ny nambaran’Atoa Betiana Bruno fa “tsy mahagaga raha gaboraraka ny fanaraha-maso ny harena ambanin’ny tany Malagasy ao Toamasina, tsy misy afa-tsy mpiasa sy teknisianina 05 monja no misahana ny faritra telo, Atsinanana, Analanjiro ary Alaotra Mangoro.
Tsara sy nahomby anefa ny fandraisana nataon’ireo nohadihadiana rehetra afa-tsy ny MainLand Mining izay tsy tao an-toerana ireo sinoa mpitantana izay tsy miasa firy ao Toamasina fa manana ny biraony any Chine, nefa ireo Malagasy natao ho mpitantana tsy afaka miteny sy mandray fanapahan-kevitra”, izay nilazan’izy ireo fa “mbola hiverenana i Toamasina izahay hanohy ny fanadihadiana”. Ny kaomisionin’ny raharaha andramena kosa araka ny tatitra nataon’ny CST Lecacheur Henri, dia ny fanodinkodinana ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana sy ny tsy fahasahiana mandray andraikitry ny fitsarana ary ny fisiana tambajotra na “mafia” mampiasa vola be sy manao kolikoly no tena olana hitan’izy ireo.
Eo koa ny tsy fahasahiana mandray andraikitra amin’ny fisamborana sy fihazonana am-ponja ireo tena lohany amin’ny fanaovana ny trafika eo ambanin’ny mason’izy ireo. “Misy kaontenera 24 feno andramena izao eo anivon’ny MICTSL, voalaza fa tsy fantatra ny tompony sy ny antontan-taratasy mikasika ireo hazo sarobidy, nefa tsy nandraisana fepetra hatramin’izao nefa efa tratra ny taona 2010 – 2011 – 2012 izay vao naverin’ny fadintseranana tany Singapour sy Malaisie”, hoy hatrany Atoa Lecacheur Henri. Mbola mitohy koa ny fanondranana andramena saingy eny an-dranomasina indray izany no ataon’ireo “mafia” nefa samy mitazam-potsiny ny mpanatanteraka sy ny mpitandro ny filaminana ary ny fitsarana Malagasy, hoy hatrany ity filohan’ny kaomisionina mpanadihady momba ny andramena ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.