Mbola mahasarika ireo mpanao politika ny nilazan’i Andry Rajoelina fa tsy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ny volana Mey 2013 hoavy io.
Raha ho an’Atoa Lanto Rabenatoandro, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambon’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana dia tsy misy dikany ho azy ireo ny tsy nilatsahan’i Andry Rajoelina fa ny mifanohitra amin’izany aza no fanirian’izy ireo dia samy milatsaka sy mifaninana i Andry Rajoelina sy ny filoha Marc Ravalomanana ka amin’izay dia ny vahoaka Malagasy marina no hitsara izay tena tiany. Manaraka hatrany ny toromariky ny SADC ny ankolafy Ravalomanana amin’ny firosoana amin’ny fanantanterahana ny tondrozotra, ka any amin’ny resaka famontsoran-keloka indray izao no hifotoran’izy ireo. Araka izany dia nambarany fa marina ny toromariky ny SADC milaza ny fanomezana famontsoran-keloka an’i Andry Rajoelina sy ireo miaramila niara-dia taminy, satria heloka bevava iraisam-pirenena no nataony nandritra ny fanonganam-panjakana ny taona 2009, ary nandritra ny efa-taona no efa nilazan’izy ireo fa olo-meloka ireo mpitondra ireo saingy nanao be marenina ka dia nambaran’ny SADC am-pahibemaso vao taitra. Raha ny fanomezana izany ho an’ny filoha Marc Ravalomanana dia mba hisian’ny fitoniana fotsiny no hilany izany satria olona tsy meloka izy ary tsy mahefa ny fitsarana nanameloka azy.
Hatreto dia ny toromariky ny vondrona iraisam-pirenena hatrany aloha no arahin’ny ankolafy Ravalomanana dia ny fanatanterahana ny tondrozotra sy ny fampodiana ny filoha Ravalomanana indrindra indrindra ! Notsahiviny fa mitetika ny mbola hampiasa faramparany ny fahefana ananany sy ny volam-panjakana i Andry Rajoelina ka mikendry ny hametraka solombavam-bahoaka maro an’isa an-kolaka ka mitady handroso ny fifidianana izany mialoha ny filoham-pirenena kanefa diso hevitra izy satria efa tsipahin’ny vondrona iraisam-pirenena ny heviny.
Nilaza ny CST Lanto Rabenatoandro dia ny filoha-mpirenena no mandeha mialoha amin’izay mitovy ny herin’ny mpifaninana rehetra. Fa nasian’ity Senatera teo aloha ity resaka koa ny baikon’ny SADC amin’ny tokony handinihina ny lalanan’ny famontsoran-keloka ka nilazany fa matoa hiverenana ilay izy dia nandeha ila ny fandaniana azy teo aloha, misy ny fanilihina ny hafa avy hatrany ka tsy mifanaraka amin’ny tondrozotra izay mitondra ny firenena amin’izao fotoana. Raha nanotaniana izay kandidà mety hisolo ny filoha Marc Ravalomanana moa ity mpanao politika avy amin’ny Tiako i Madagasikara ity dia nilaza fa ny fampodiana ny filoha Ravalomanana eto an-toerana aloha izao no mahamaika azy ireo hahafahana mamaritra indray ny hoavin’ny fifidianana, saingy nohamafisiny indray fa handray anjara feno amin’ny fifidianana ny Tiako i Madagasikara, manomboka eo amin’ny filoham-pirenena ka hatramin’ny Ben’ny tanàna izany.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.