Anisan’ny mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) ny Dr Rakotomanana Gervais. Izy no misahana ny Faritra Analanjirofo ho an’ny ankolafy Ravalomanana misy azy, ary manana ny fomba fijery ny raharaha politika ankehitriny. Nisy ny resaka fohy nifanaovana taminy.
Tia Tanindrazana (TT) : Maro no milaza fa tsy mba hita an-tsehatra ny CST Rakotomanana Gervais, fomba fiasa sa inona no antony ?
CST Rakotomalala Gervais (Dr Gervais) : Efa fomba fiasako io miasa mangina nefa ahitako fahombiazana sy vokatra tsara io. Io mantsy samy manana ny fomba entiny manao ny asa nomena azy ka ny ahy dia izay no safidiko. Ankilan’izay, iarahana mahalala ny nanaovan’ny fitondrana tetezamita ny fanalana ahy tamin’izaho Ben’ny tanànan’i Toamasina, ka niarahanareo nahare koa ny famaliako ny praiminisitra Camille Vital tamin’ireny ka nahatonga ny tenako namoronana dosie tany amin’ny fitsarana mihitsy mba hampingana ahy. Hatramin’izao tsy mbola nanao famindram-pitantanana aho. Koa aleo miasa mangina mahomby satria ny tanjona dia iray ihany, dia ny fampodiana ireo sesitany politika, ny fihazonana ny fitiavan’ny olona ny filoha Marc Ravalomanana satria na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hiditra sy hiatrika fifidianana isika.
TT : Ny fahitanao ny toe-draharaha politika ankehitriny, ahoana ny fahitan’ny vahoaka Analanjirofo ny zava-misy misafotofoto izao ity ?
Dr Gervais : Ny mahagaga ahy aloha dia ity mpitondra mifamaly imasom-bahoaka ity. Efa tsy misy henatra intsony. Aiza no tsy hivaralila ny firenena ary ny mampalahelo dia izao milentika anaty fahantrana izao ny Malagasy. Ny tena nahazendana koa dia ny tsy filatsahan’Atoa Andry Rajoelina hofidiana. Raha nilaza ireny ihany nahoana no nandany vola tamin’ny fanovana ny lalàmpanorenana izay namboarina ho azy ? Raha nanao ireny ihany nahoana no tsy ny fifidianana solombavambahoaka mahamaika azy izao ity no nataony tamin’ny taona 2010 iny ? Efa kenda ny voamanga nesisiky ny tanana vao mody milaza ho hendry sy tia tanindrazana ka manasoaso mpanao politika. Tsy adala akory ny Malagasy. Raha ny ao Analanjorofo indray na iza hiteny, na iza hilaza, dia miandrandra mafy ny fiverenana an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana, ary mbola miandrandra ny hitantanany ny firenena koa.
TT : Ahoana ny hevitrareo mikasika ilay fikasana hanao fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fifidianana filoham-pirenena ?
Dr Gervais : Anaty krizy isika izao. Tsy ny Parlemanta no naongana teto fa ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka, noho izany miandry fifidianana izay ho filohany ny Malagasy tahaka ny vahoakan’Analanjirofo, satria io izao no olana mahatonga antsika voasazy eran-tany. Efa notapahan’ny mpanao politika nanao sonia ny tondrozotra sy ny Parlemantan’ny tetezamita ary ny firaisambe iraisam-pirenena koa ny datim-pifidianana efa navoakan’ny CENI-T ireny, ka nahoana no hovana indray hanakorontan-javatra eto, sady ireo hirotsaka hofidiana koa efa nanoman-tena mikasika izany. Tsy ny tondrozotra takian’ny iraisam-pirenena tanterahina manontolo tsy misy ailika no ataon’ny fitondrana tetezamita, fa ny fanakorontanana hanalavana ny tetezamita ihany. Ny ahy aza ny faniriako dia ny firotsahan’izy mirahalahy, ka ho tsarain’ny vahoaka eo amin’izay ny fitondran’Atoa Ravalomanana ny firenena sy ny nitondran’Atoa Rajoelina ny tetezamita.
TT: Ny teninao farany
Dr Gervais : Tsy tokony ho taitra ny vahoaka Malagasy na betsaka ny zava-misy sy ny ambara ary fanakorontanana iniana volena eto hanitarana ny tetezamita noho ny fitiavam-pitondrana sy seza. Tsy tokony hikoropaka sy hisalasala koa ny ankolafy Ravalomanana na inona no ataon’ny mpitondra ny tetezamita, ny tokony tadidiana mandrakariva, dia ny tenin’ny filoha Marc Ravalomanana hoe “ny tonga miaraka dia fanombohana, ny miasa miaraka no fahombiazana” sy ny hoe “AZA matahotra, minoa fotsiny ihany”. Mila manana finoana isika Malagasy sy ny ankolafy Ravalomanana rehetra, fa izay no fahombiazantsika hatramin’izay.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.