48 ora aty aorian’ny nampahafantarana ofisialy azy 90 mianadahy mpikambana sy nampijoroana ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) vao vita ny fifidianana izay ho filohan’ity rafitra nasolon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) ny Antenimierandoholona ity. Kandida telo no nifaninana tao Anosikely omaly, dia ny jeneraly Rasolosoa Dolin, i Monibou Patrick ary Rakotonirina Jean Claude. Samy filoha lefitry ny FAT iretsy roa voalohany. Ny iray natolotry ny UDR-Fanovana, ny faharoa ny ampahany tamin’ny Escopol sy ireo antoko hafa no nanolotra azy. Ministry ny varotra tao amin’ny governemanta Roindefo kosa ny kandida fahatelo, ka ny ambiny ao amin’ny Escopol no nanolotra azy. Raha tamin’ny telo ny ora voatondro hanatanterahana ny fivoriana omaly dia tamin’ny dimy ora izany vao vita. Araka ny fantatra dia mbola adivarotra ny ho kandida avy amin’ny UDR-Fanovana, ka nisafidianana teo amin’i Lahiniriko sy ny Jly Dolin. Nisisika ny ho kandida koa anefa i Patrick Monibou, ho solontenan’ny faritra avaratra. Vato 49 amin’ny 83 tonga nifidy no azon’ny Jly Dolin ka nahavoafidy azy ho filohan’ny CST. 26 no vato azon’i Monibou Patrick raha 7 no azon’i Jean Claude Rakotonirina. Nisy vato fotsy iray nandritra ny latsa-bato.
Ny fandaniana ny fitsipika anaty sy ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra, ahitana filoha lefitra enina, kestora roa, mpampaka-teny ary ireo vaomiera, no hanohizana ny fivoriana anio. Efa mpiara-miasa akaiky tamin’i Andry Rajoelina hatreny amin’ny Kaominina Antananarivo ny Jly Dolin Rasolosoa. Ity farany koa no lohalaharana nitarika olona teny amin’ny faritra mena, Ambohitsorohitra, ny sabotsy 07 febroary 2009, izay niafara tamin’ny ra nandriaka. Azo heverina ho valim-pitia ihany angamba izao fanandratana azy ho filohan’ny FAT (Filankevitra ambonin’ny tetezamita) izao, sady fisantarana ny fampiharana ny “Fitiavana” araka ny tarigetran’ny lalàmpanorenana naroson’ny FAT.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.