Politique

CREM “Tsy mbola fotoan’ny hambompom-pirenena izao”


  • Zoma 01 Jolay 2011

Potika ny tontolon’ny fihariana rehetra noho ny krizy lavareny. Raha ny fahitan’ny CREM (Cercle de réflexion économique) azy dia tsy ho zaka intsony ny zava-misy eto raha mbola mitohy roa na telo volana izao fahasahiranan’ny seha-pihariana izao.

 Marihina fa ny fitondram-panjakana foibe no mamelona ny toekarem-pirenena satria izy avokoa no miantoka ny 95%-n’ny fampiasam-bola rehetra. Mihevitra, araka izany, ny profesora Rajaonson Hugues, mpikambana ao amin’ny CREM fa tsy azo ihodivirana amin’izao zava-misy izao ny fanampiana avy any ivelany. “Tsy mbola fotoana ametrahana ny hambompom-pirenena izao vanimpotoana sarotra ara-toekeraa sy sosialy izao satria mila tosika amin’ireo mpamatsy vola isika. Rehefa miverina amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena dia amin’izay fotoana izay vao mety azo tanterahana izany”. Marihina fa afaka dimy ka hatramin’ny valo taona aorian’ny fahataperan’ny krizy vao hiverina amin’ny toerana nisy azy tamin’ny 2008 ny toekarem-pirenena. Nomarihan’ity mpahay hary ity koa fa tsy azo adika ho fankatoavana iraisam-pirenena, izany hoe ny fivahan’ny famatsiam-bola, ny fanatrehan’ny masoivoho vahiny sasany ny matso teny Mahamasina satria tsy niatrika ny lanonana teny an-toerana ny masoivoho avy amin’ny Vondrona Eoropeanina, ny Firenena Mikambana ary ny mpiandraiki-draharaha Amerikanina. Ireto firenena sy vondrona ireto izay miantoka ny ampahany betsaka amin’ny famatsiam-bola vahiny manerantany. “Na dia vita amin’ny faran’ny volana jolay izao aza ny fanaovan-tsonia ny tondrozotra eken’ny rehetra dia mila efa-bolana any vao mahazo vola isika noho ireo fifampidinihana isan-tokony sy ny pitsopitsony ara-teknika maro samihafa”. Raha ny fanadihadian-dRajaonson Hugues izany dia any amin’ny volana desambra any vao hirotsaka ny fanampiana. Momba ny fangatahan’ny vondrona orinasa sasany fanafoanana haba amin’ny akora sy fitaovana hafarany dia nilaza ny tenany fa izay orinasa afaka mampiditra mpiasa vaovao ihany no tokony homena io tombontsoa io.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT