Politique

CPS - Vondrona Afrikanina Nanamafy ny tapaka tao Sandton


  • Alakamisy 14 Jolay 2011

Tontosa tao Addis Abeba, ny 6 ka hatramin’ny 12 jolay lasa teo ny fivoriany andiany faha-283 notontosan’ny Filankevitra momba ny filaminana sy ny fandriampahalemana na ny CPS eo anivon’ny Vondrona Afrikanina.

 Tamin’izany no nanaovan’ny kaomiseran’ny Vondrona Afrikanina, Ramtane Lamamra, sy ny mpitarika ny fanelanelanana notendren’ny SADC, dia ny filoha mozambikanina teo aloha Joaquim Alberto Chissano tatitra. Araka ny vaovao àry dia nohamafisin’ity filankevitra ity ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC nivory tsy ara-potoana tao Sandton Afrika Atsimo ny 12 jona 2011 teo. Notsindrian’ny CPS tamin’izany ny amin’ny tokony hampitomboana ny ezaka hahitana vahaolana maharitra amin’ny krizy eto Madagasikara. Nambaran’ny CPS fa laharam-pahamehana ny fiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna. Araka izany dia neken’ny CPS ilay tondrozotra vita rangopohy teny Ivato saingy tsy maintsy hasiam-panitsiana ary dia miantso ny Ankolafy 3 ny CPS hanao sonia izany tondrozotra izany rehefa vita ny fanitsiana. Fanitsiana izay tokony hifandraika amin’ny fanapahan-kevitry ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC.

Ankoatra izay dia nohamafisin’ny CPS ihany koa ny amin’ny tokony hamelan’ny FAT ireo Malagasy rehetra sesitany noho ny antony politika hody an-tanindrazana tsy misy fepetra, anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana. Niantso ny FAT koa ny CPS mba handrafitra sy hampihatra haingana ny lalàna hiantohana ny fahalalahana politika ho an’ny Malagasy tsy ankanavaka, iarahan’ny ankolafy rehetra mba hahatongavana amin’ny fifidianana malalaka sy azo antoka. Nangataka tamin’ny vaomiera sy ny sekretarian’ny SADC moa ny CPS mba haka ny fepetra rehetra handehanana aty Madagasikara mba ahazoana manara-maso ny fivoaran’ny toe-draharaha sy hanamorana ny fampiharana ilay tondrozotra. Izany dia iarahana amin’ireo mpiray ombon’antoka amin’ny Vondrona Afrikanina toy ny Firenena Mikambana, ny Vondron’ny tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay, ny Vondrona Eoropeanina ary ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana. Mila havaozina koa ny ezaky ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC mba hiantsoana ny fianakaviambe iraisam-pirenena hanohana ny ezaka fanelanelanana. Manoloana izany indrindra àry dia mangataka ny filoham-baomiera sy ny mpitarika ny fanelanelanana eo anivon’ny SADC ny CPS mba hampiantso fivorian’ny Groupe International de Contact momba an’i Madagasikara na ny GIC-M mba handrindrana ny asan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny fampiharana ilay tondrozotra sy ny famerenana ny ara-dalàna eto Madagasikara.

Miantso ireo ankolafy politika malagasy koa ny CPS mba hametraka ambony ny tombontsoam-pirenena ka mba handraisan’izy ireo andraikitra. Ao anatin’izany ny fampihavanam-pirenena sy ny tenierana mba hametrahana ny filaminana, hamerenana ny demokrasia ary ny fampandrosoana ny firenena. Raha ireo rehetra ireo no dinihina dia mizotra tsimoramora mankany amin’ny fivoahana amin’ny krizy i Madagasikara, tohanan’ny vondrona iraisam-pirenena. Karazan’ny mpandoto rano fotsiny ihany ireo milaza fa miankina amin’ny FAT ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana sy ny hoe tsy hisy fanovana intsony ny governemanta Vital. Raha ity fanapahan-kevitry ny CPS ity koa no jerena dia teny na kabary mampiombona izany manomboka eto no andrasana amin’ny mpanao politika Malagasy fa tsy resaka fihantsiana na fifanasana vangy intsony, satria efa trotraky ny krizy ny Vahoaka.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT