Politique

Constant Raveloson “Tsy iadian-kevitra intsony ny fiverenan-dRavalomanana”


  • Alakamisy 31 Janoary 2013

Loza amin’atambo ho an’ny firenena raha nandritry ny efa-taona tsy misy manampahaizana nivoaka teto amin’ny firenena, hoy i Constant Raveloson.

 Vitan-dRajoelina ny nampiseho fa tsy ilaina ny manampahaizana, tsy ilaina ny mianatra satria ireo zanaka Malagasy mandranto fianarana any ivelany notapaham-batsy, ny eny amin’ny oniversite eto amintsika, tsy nomena vatsim-pianarana, hoy izy ary notsiahiviny ihany koa fa dia zaza Malagasy fito hetsy no voatery nandao ny fianarana tsy fidiny noho ny fahantrana vokatry ny fanonganam-panjakana. Ankehitriny dia tonga eto i Leonardo Simao, hoe hidinika izay fomba hampodiana ny filoha Marc Ravalomanana.

Azo atao ary tsy maintsy atao izany fampodiana ny filoha izany, hoy i Constant Raveloson ka izy tonga eto vao miresaka fifidianana, vao hanapa-kevitra. Momba izay fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana izay ihany dia nambaran’ity olon’ny MFM mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity fa rehefa avy niteny ireny nolazainy rehetra ireny i Andry Rajoelina sy ny ambasadaoro frantsay François Goldblatt no mbola nanamafy ny Vaomieran’ny filaminana sy ny fandriampahalemana (CPS) eo anivon’ny Vondrona Afrikanina dia efa tsy resaka diplomatika intsony.

“Tsy iadian-kevitra intsony ny fiverenan-dRavalomanana eto. Matokisa fa ny fahavononantsika hampiseho fa tsy tafavoaka sy tsy hisy izany fifidianana izany raha tsy eto ny filoha Marc Ravalomanana, izay no zava-dehibe”, hoy i Constant Raveloson tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Na fifidianana filoham-pirenena na solombavambahoaka no hatao mialoha dia tsy mety raha i Andry Rajoelina no mitondra eo. “Tsy maintsy jerena io prezidansa io”, hoy i Constant. Rehefa atao hoe tsy mitanila dia tsy maintsy miditra an-tsehatra ny ankolafy Ratsiraka sy Zafy Albert. Dingana voalohany tsy maintsy amboarina ihany koa ny lalampanorenana araka ny fanazavany, ary averina arafitra ny tetezamita.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT