Zavatra telo no napetrak’i Andry Rajoelina amin’i Lafrantsa tamin’iny diany maimaika iny, hoy Raveloson Constant omaly tetsy amin’ny Magro Behoririka.
Eo ny fangatahany ny fanohanan’i Frantsa azy amin’ny firotsahany ho fidiana, ny fangatahana ny fanohanan’i Lafrantsa amin’ny tsy fampodiana ny prezida Ravalomanana raha tsy vita ny fifidianana ary ny fahatelo dia ny fanohanana ara-bola sy ara-teknika amin’ny fanomanana io fifidianana kasainy io. Lehilahy ny filoha frantsay raha mahazaka manohana ireo zavatra telo ireo, hoy ity mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity. Mazava ny an’i Frantsa hatramin’izay nitondran’i François Hollande izay, hoy izy, fa dia izay ataon’ny SADC no tohanany.
Tsy misy firenena afaka hanaiky amim-pomba ofisialy fa manohana mpanongam-panjakana ka afaka hirotsaka hofidiana izany, hoy Raveloson Constant. Noho izany dia zavatra roa sisa no azon-dRajoelina atao dia ny manao izay tsy hampisy intsony ny filoha Marc Ravalomanana na miala am-pahendrena. Izay ihany, hoy ihany ity solontenan’ny Mafana ity. Raha i Marc Ravalomana sy Madagasikara anefa dia tsy ho voakosoka na oviana na oviana, hoy izy. Ary sao dia mihevitra i Andry Rajoelina fa hisy io fifidanana io, hoy Raveloson Constant, sao koa mihevitra fa hihalefy ny herin’ny Magro.
“Mihosin-drà ny tanan-dRajoelina nanomboka ny 26 janoary 2009, betsaka ny fahotana mahafaty nataony, na tany Atsimo, ny fanosihosena ny zo maha-olona”, hoy ihany Raveloson Constant izay nanamafy fa “tsy halemana raha tsy tetezamita vaovao, hafa, rehefa tsy mahatsapa tena i Andry Rajoelina”. “Mitady hofidiana i Andry Rajoelina ka tsy avelany mirotsaka na mody ny prezida Ravalomanana fa sao maharesy azy”, hoy ihany Raveloson Constant. Tsarovy anefa, hoy ity farany, fa raha vao migadona eto ny tongotry ny prezida Ravalomanana dia hiverina hitodika amin’ny filoha ary hifidy azy na ireo mpanohana an’i Andry Rajoelina aza.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.