Politique

Constant Raveloson ”Tsy hisy izany referandaoma izany”


  • Talata 05 Oktobra 2010


«Ny fitiavanay ny namanay novonoina teny Ambohitsorohitra, ny fitiavanay ny namanay nodorana velona, ny fitiavanay ny zanakay tokony hianatra ara-dalàna, ny fitiavanay ny zandrinay tsy omena vatsimpianarana raha tsy mitokona, ny fitiavanay ireo mpitsara tsy manaiky ataonareo kilalao, ny fitiavanay ireo no manosika anay handrava ity referandaoma ity», hoy Raveloson Constant tetsy amin’ny kianjan’ny Magro omaly raha nanamarika momba ny fanovana ny filamatry ny firenena hoe «Fitiavana». Tsy nitsitsy fitenenana ny lehilahy raha nanohy fa raha misy sombim-pitiavana kely ao anatin’i Andry Rajoelina, hoy ihany Constant Raveloson dia tokony hiala mora avy hatrany izy, tsy misy raorao. Raha tsy izany no miseho, hoy izy, dia mbola fitiavana ny karamaben’ny FAT, ny fitiavana ny hihinana sy hampandady anay no ataony.

Tsy misy hanaiky izany eto, hoy izy. Nanentana ireo mpiara-mitolona moa ny tenany satria mpirahalahy mianala fa tsy hanao tolon’ny tandapa. Toromarika no nomeny dia ny hanaovana ny fomba rehetra hampiverina ireo filoha roalahy eto. Manana herinandro enina isika hanaovana fampielezan-kevitra, hoy ihany Raveloson Constant. «Tsy hisy Tsia, na Eny, na koa hanao vato maty, na hoe tsy hifidy fa ny fifidianana dia horavana satria zontsika izany, satria mitady ny safidim-bahoaka izy dia ataontsika fantany izany», hoy izy. Nantitranterin’i Constant Raveloson moa fa tsy hisy izany referendaoma izany, henjanina ny eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena tsy hampisy izany ary tsy hampisy dikany na hasiny izay fifidianana ataon’ny FAT izany.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT