Nanaitra ny mpanara-baovao maro ny fanehoan-kevitra nataon’ny filoha nasionalin’ny antoko Hery Vaovao hoan’i Madagasikara.
Nampitoviana tamin’ny fanonganam-panjakana niseho tamin’ny taona 2009 mantsy ny hetsika fankalazana ny faha-15 taonan’ny antoko Tiako I Madagasikara hotontosaina ny sabotsy 29 jolay 2017 izao eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Ny demokrasia eto Madagasikara mihitsy no tandindomin-doza, hoy i Constant Raveloson. Tsy misy afa-tsy fanaratsiana ranoray ireo fikambanana na antoko tsy mitovy hevitra sy fomba fijery aminy mantsy ny antokom-panjakana. Tranga toa mampiseho sahady ny tsy fahavononan’ny HVM hifaninana ara-politika sy ny fifandimbiasam-pahefana demokratika. Andraikitry ny filohan’ny Repoblika rahateo ny milaza ny zava-misy eto amin’ny firenena fa tsy anjaran’ny filohana antoko toan’andriamatoa Rivo Rakotovao. Mihemotra any amin’ny 30 taona lasa mahery ny tontolo politika iainantsika ankehitriny hoy ity mpikambana ao amin’ny MFM (Mpitolona ho amin’ny Fandrosoan’i Madagasikara) ity. Tsy nanan-jo hanana fanehoan-kevitra politika hafa nohon’ny fitondrana nijoro tamin’izany moa ny olom-pirenena. Io ilay vanim-potoan’ny FNDR (Front National de Défense de la Révolution) na mandatehezam-pirenena miaro ny revolisionina, araka ny fanamarihany.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.