“Tsy hay arovana intsony ny zava-bitan’ny FAT ka dia lainga sisa no afafy amin’ireo haino aman-jery sy gazety”, hoy Raveloson Constant. Ankoatra ny hoe tsy maintsy handraisan’ny rehetra anjara ny tetezamita, sy ny hoe tenierana dia takian’ny SADC mba hitokisana koa izany rafitra izany.
Ny zava-misy anefa, hoy Raveloson Constant dia tsy hitokisan’ny vahoaka Malagasy intsony Ratsirahonana. Ratsirahonana izay mpanolotsaina sy akaiky an-dRajoelina. Ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy izy no niantso an-dRatsiraka, Zafy Albert ary Ravalomanana hifampiraharaha. Araka izany dia dingana iray sisa no andrasana amin-dRajoelina satria efa niala tsy ho lehibena ankolafy intsony izy ary nilaza fa tsy hilatsaka hofidiana. “Ny miala am-pahendrena no andrasana aminy”, hoy ity mpitari-tolon’ny MFM ity. Izany no tokony hataony, hoy izy, mba tsy hitanondrehan’ny taranany rehefa hiresaka ny momba azy. Nanentana ireo mpitolona àry Raveloson Constant : “dieny izao dia raiso an-tanana ny hoavy sao rombahan’ny mpanjakan’ny hosoka amin’ny resa-pifidianana indray”. Ny hany voninahitr’ireo manana fanamiana, hoy izy dia tsy misy afa tsy ny miaro ny ara-dalàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.