“Voarefy, voaisa, voalanja ny momba ny ekipan-dRajoelina ankehitriny. Maivana”, hoy Constant Raveloson tetsy amin’ny kianajan’ny Magro Behoririka ny sabotsy lasa 19 janoary teo.
Notsiahiviny fa mitsingerina amin’ny sabotsy ho avy izao ny 26 janoary : Alatsinainy mainty. Teto Antananarivo, hoy i Constant Raveloson no nisantaran’i Andry Rajoelina fa izy no rangory fototry ny afo ka ezahina tambazana kianja, Coliseum, hopitaly Antananarivo. Fanontaniana maro moa no napetrany ny amin’izay hahasahy hilaza fa tsy ilaina ny fianarana ho an’ny ankizy. 750 000 izy ireo no voatery nitsoaka ny fianarana, ny boky tokony nozaraina ho azy ireo nodorana, ny filaminana niainana nilaoha ny 2009. Iza no sahy hiteny, hoy i Constant Raveloson fa tsy ilaina ireo. Saingy naleon-dry Rajoelina, hoy izy nanangana kianja dia mifamono ny any Atsimo. I Andry Rajoelina irery, 2000 taona taty aoriana no sahy naka anarana kianja fanaovana sorona sy habibiana tamin’ireo kristiana dia ny Colisée izany.
Nanao sorona ny tenany tokoa i Andry Rajoelina, satria nanantena hanjaka eto kanefa dia nitalakotrokotroka ny fianjerany teto an-tany. Nanao sorona ny vahoaka ihany koa izy, ny fihariana rehetra, ny zanatsika, ny asa, ny fandriampahalemana, izany rehetra izany dia nataony sorona ho an’ny tenany avokoa, hoy ihany i Constant Raveloson tsy nitsitsy fitenenana. Manoloana izany rehetra dia nanetana ireo mpiaradia aminy izy fa efa nataon-dRajoelina sorona ihany koa Antananarivo ny 26 janoary 2009, ireo harena an-kibon’ny tany, ny boaderozy sy ny maro hafa. Nambarany momba ny resak amanistia fa io resaka io no nampisitaka voalohany ny ankolafy Ravalomanana tao amin’ny Kongresy.
Napetraka ho tiakano sy tsy tiakano izany, hoy izy kanefa tena tsy laitra ny fanonganam-panjakana, ny fandorana olona izay sazian’ny fehezan-dalana famaizana ho fiampangana ho faty. Eo anatrehan’izany rehetra izany dia niantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Constant Raveloson ny amin’ny tsy tokony hamelana an-dRajoelina irery eo amin’ny lohan’ny tetezamita, hanao izay danin’ny kibony amin’ny vola. An’ny rehetra ny tetezamita fa tsy an’olon-tokana na an’antoko tokana, hoy ity solontenan’ny Mafana ity. “Tsy azo ekena ho an-dRajoelina irery intsony ny fitantanana ny fananam-pirenena”, hoy ihany i Constant Raveloson izay nanetana ny rehetra hamoaka ny sary rehetra sy ny marina momba ny 26 janoary.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.