Politique

Constant Raveloson Nanebaka ireo mpamotika firenena


  • Talata 13 Jolay 2010

«Hatao ny fifidianana, hahemotra indray ! Eo koa ny dinika santatra, hahemotra indray… Izany dia marika fa resy lava isika, mihemotra ary mandamoka”, hoy i Constant Raveloson.

Tahaka izao tolona natao izao no nanenjehana an’i Mandela, taorian’ny namonjana azy anefa dia fampihavanam-pirenena no notantanany ary Afrika Atsimo iray manontolo no niray feo hifidy an’i Mandela. “Ianareo rehetra izao no Mandela, ireo gadra politika no Mandela ka rehefa mivoaka i Mandela dia hilamina ny firenena”, hoy ihany Constant Raveloson nanoloana ireo mpiara-mitolona aminy tao amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka. “Tsy ireo mampitifitra na mampigadra olona no hisora-tena ho Mandela”, hoy ihany izy. Nankahery ireo mpiara-mitolona aminy koa izy ny amin’ny tsy tokony hahakivy. “Tsy ho very maina ny herintaona mahery nitolomana. Maharary ny FAT ny fitakiana ny fahamarinana ataontsika”, hoy izy. Porofon’izany, araka ny nambarany ihany, “ny filazana fahamarinana iraim-bava dia mahavoasambotra”. “Midika izany fa dia mahery noho ny basy ny marina izay entintsika. Mahery ny feontsika ary efa masaka ny hevitra hijoroantsika”, hoy ihany izy. Nambarany fa dia fandresena ho an’ny tolona ny fampitana izany amin’ny isam-batan’olona. Momba ireo sokajin’olona milaza ho “modéré”, dia nambaran’i Constant Raveloson fa “vao mainka hanapotika sy handetika ny firenena izy ireo satria hanaraka ny dian’ny FAT ka aleo tsy hifandrebireby”, hoy izy. 

Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT