Politique

Constant Raveloson “Mila foloalindahy manan-kasina isika”


  • Alatsinainy 03 Mey 2010

«Ho anay dia ny «TSARA» ihany no tsara», hoy Raveloson Constant, raha nandaha-teny teny amin’ny kianjan’ny Fanantenana Tanjombato ny tenany ny sabotsy lasa teo, manoloana ny zava-nitranga tany Pretoria farany teo.

Tetezamita tsy misy an-dRajoelina moa no tiany hambara amin’ny hoe «TSARA». Tsy azon’iza na iza hatokisana Rajoelina, araka ny fanazavany. Nasiany teny manokana momba ny “1 mey”, fetin’ny asa satria dia tsy misy fanantenana izany, hoy ity sendikalista ity. Ota fady no natao tamin’ny mpiasa Malagasy, araka ny fanazavany ihany. “Fanafodin’ny 1 mey amin’ny ranomaso ny 13 mey”, hoy izy. “Ny 1 ka hatramin’ny 13 mey dia mila fitondrana sy foloalindahy manan-kasina eo anatrehan’izao tontolo izao isika, fitondrana ifanarahan’ny ankolafy Malagasy rehetra tahaka ny voasoritra tany Maputo sy Addis Abeba (…) Rehefa tsy izay dia roahy Rajoelina”, hoy ihany Raveloson Constant. Tamin’izany koa no nametrahany fanontaniana ny amin’izay olona tena mila famafan-tsazy, nilazany fa dia hotsaraina i Andry Rajoelina satria namotika tanàna tamin’iny alatsinainy maintin’ny 26 janoary 2009 iny. 15 andro no nomen’ny Vondrona Afrikana sy ny Sadc hamoahana ny firenena amin’izay tokony hahavotra azy, hoy ihany ity mpitari-tolona izay nampahatsiahy fa ny 13 mey 1972 no nandroahana ny Frantsay namahatra teto. Fa ankoatra izany dia nambaran’i Zafilahy Stanislas fa tahotra ny fodian-dRavalomanana Marc no anton’ireny didim-pitsarana navoakan’ny FAT ireny, hanakanana azy tsy hody, tsy ahafahany milatsaka hofidiana. Antso no nataon’ity olom-boafidy ny amin’ny tokony hahafahan’izay rehetra te hirotsaka hofidiana amin’izany fifidianana izany. Nasiany resaka ihany koa ny momba ny hazo sarobidy izay tokony hanomezana fanazavana. Araka ny fantatra moa dia hitohy hatrany ny tolona ka amin’ity anio ity dia eny amin’ny kianjan’i Magro Behoririka indray no hifamotoana ny ankolafy telo. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT