Politique

Constant Raveloson Mila diovina ny tetezamita


  • Alatsinainy 04 Febroary 2013

«Raha misy milingilingy ato anatin’ny ankolafy Ravalomanana milaza fa ny fifidianana no tokony hatao mialoha dia mitady handova velona izy izay. Rehefa tonga ny filoha Marc Ravalomanana vao miresaka fifidianana», hoy i Constant Raveloson tamin’ireo mpanara-dia azy tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy 02 janoary lasa teo.

 Izany dia midika fa ny fiverenan-dRavalomanana ato anatin’ny fotoana fohy no dingana voalohany tsy maintsy ataon’ity ankolafy ity, raha ny fanazavany. Eo anatrehan’izany dia nambaran’i Constant Raveloson fa “tokony hodiovina ny tetezamita”. Tetezamita tsy mitanila no tokony hajoro mialoha ny zavatra rehetra fa tadiavin-dRajoelina atao amin’izay itiavany azy na ny haino aman-jerim-panjakana, na ny tetiandrom-pifidianana.

Ny andininy faha-15 ao amin’ny sori-dalana anefa dia mazava tsara fa tokony hadio, tsy hitanila ny tetezamita. Ka raha tsy mipetraka izay tsy fitanilana izay dia ho menatra sy ho afa-baraka isika, hoy i Constant Raveloson nanamafy ka tsy havela hoviravirain-dRajoelina ny tetezamita satria tsy hisy mihitsy izay tsy fitanilana izay raha mbola i Andry Rajoelina no eo. Ankoatra izay dia namatrapatratra i Constant Raveloson nilaza fa raha ilay lalàmpanorenan’ny FAT no hitondrana ny fifidianana, na ny solombavambahoaka na ny filohan’ny Repoblika dia famadihana ny tolona natao nandritra izay efa-taona izay ary dia mamandrika ihany koa ny filoha Marc Ravalomanana. Tetsy andanin’izany dia nasian’ity mpanao politika ity resaka ny 7 febroary.

Andro nanaovan-dRajoelina sorona ny vahoaka ny 7 febroary, hoy izy. Mitaky ny vidin’aina amin-dRajoelina ireo olona natao sorona fa tsy afa-po. Hany azony atao dia ny fananan-dRavalomanana no tadiaviny halaina. Tribonalin’ ny mpanongam-panjakana rahateo no misy eto amintsika. Raha manomboka mamototra momba ny fanosihosena ny zon’olombelona any Atsimo ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy i Constant Raveloson, dia aleo koa hisokatra ny fanadihadiana ny 7 febroary dia ho hita eo.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT