«Rehefa hoy ianao hoe :aleo hijanona any Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert dia handady amin’ny mpanongam-panjakana ianao. Tahotra azy telo mirahalahy ireo fotsiny no hany manetsika an’i Andry Rajoelina. Mandraiki-dresy izay mandady amin-dRajoelina sy tsy manan-kevitra akory amin’ny hitondrana ny firenena sady tsy vonona hihaino ny hafa. Izy no ‘extrémiste’ sady mpanao bontolo», hoy Raveloson Constant omaly tao amin’ny kianjan’ny finoana Behoririka, manoloana ny fanambaran’ny sasany fa tsy mila miverina izany ireo filoham-pirenena mirahalahy sy ny filazana fa “extrémiste” ny eo amin’ny Magro ka nisy ireo nanaiky ny hifampidinika amin’ny mpanongam-panjakana izay sokajian-dRaveloson Constant ho anisan’ireo mandraiki-dresy moa. Nambarany fa tsy mahay mijery ireo sokajin’olona ireo ka tsy mahafantatra akory izay efa ho resy. Tsy vitan’izay tsy to teny manko ny filohan’ny FAT fa tsy mahazaka fitondrana mihitsy. «Raha lava loatra ny tolona, henjano hanafaingana azy, miainga avy eny amin’ny sehatra isan-karazany, toy ny eny amin’ny fokontany, ny asam-panjakana», hoy ihany izy sady nanamarika fa «nafahana nanavaka ny vary sy ny tsiparifary ny fahalavan’ny tolona».
Ankoatra izay, dia nilaza ihany koa ity mpitari-tolona avy amin’ny MFM sady sendikalista ity fa mpifehy vahoaka fa tsy olona nofidiam-bahoaka no tadiavin’ny FAT hapetraka isaky ny kaominina toy izay mitranga eto an-drenivohitra sy tadiavina hatao any Antsirabe. Ho an’ny eto an-drenivohitra moa dia nanambara ny tenany fa «miady amin’ny mahantra ny PDS fa tsy miady amin’ny fahantran’Antananarivo. Tsy ny vahoaka tokoa manko no nifidy azy ireo ka tsy miraharaha izay vahoaka izy ireo», hoy ihany Raveloson Constant nanamafy. Tetsy andanin’izany dia nasiany resaka ihany koa ny fomba fakana hetra sy haba vaovao hataon’ny FAT amin’ny alalan’ny fananganana orinasa vaovao any ivelany. Rombahana any ivelany ny vola vahiny rehefa tsy mahazo fanampiana ny FAT, anisan’ireo sehatra tratr’ity antsojay ity ny fanafarana solika, ny momba ny fifandraisan-davitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.