“Fanjakana no resaka ary dia hita fa tena miankina aman’aina rehefa tena hanao ny tolona amin’ny ara-dalàna”, hoy i Constant Raveloson izay nandray fitenenana avy hatrany taorian’ny ampamoaka nataon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka omaly.
Haintsika sivily ny mitolona ny hohajain’ny miaramila. Mandrimandry ny saina, hoy ity olon’ny Mafana ity fa mizotra any amin’ny hoe : tsy izay tompon’ny basy no handidy ny amin’ny tantara. “Karakarao fa mivoraka ireo”, hoy i Constant Raveloson satria dia nilaza i Andry Rajoelina fa 5 taona no hitondrany eo. Ny andininy faha-15 amin’ny sori-dalana anefa dia milaza mazava fa tsy maintsy tetezamita tsy mitanila, tsy miangatra ary tsy hanampy kandida na iza na iza no hajoro.
Voaporofo izao, hoy ihany i Constant Raveloson fa “nanongam-panjakana sy nampamono olona” i Andry Rajoelina. Marina sy ara-dalàna ny antsika, nanoloana ireo mpandala ny ara-dalàna. Ny filoha Marc Ravalomanana tonga eto vao miresaka fifidianana ka mila karakaraina isaky ny Fokontany, Kaominina, birao fandatsaham-bato. Tsy nahavita ny adidiny ny CENI-T, hoy ihany izy. Mbola betsaka ny karne fanisam-bahoaka no mijanona fotsiny any ho any. Nanentana ny mpandala ny ara-dalàna ny tenany hisoratra anarana amin’ny fifidianana. “Raha tsy tonga ny filoha dia tsy hisy hifidy isika ka hita eo fa ny 80% dia tsy hifidy. Raha tonga kosa dia mandeha mifidy daholo isika”, hoy ihany izy. Rava hatreo, ny kajikajy politika rehetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.