Politique

Constant Raveloson ”Hamoa-doza io fifidianana io”


  • Alatsinainy 04 Jolay 2011

Fanjakana iaraha-manana no hivoahana amin’ny krizy, noho izany dia tsy maintsy tetezamita iaraha-manana sy fifidianana iaraha-manomana no hatao eto.

 Raha tsy izany, hoy Raveloson Constant, mpitari-tolona eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana dia “hamoa-doza ny fifidianana manaraka ho avy eo”. “Tsy izy io kififidianana io”, hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny birao politikan’ny MFM ity. Efa hita taratra tamin’ny 17 novambra 2010 lasa teo, hoy izy fa tsy mbola nisy fifidianana ratsy toy iny ary dia nohamafisin’ny Kmf/Cnoe izany. Tamin’izany dia mbola nikaviavia ny olona. Ankehitriny, hoy ihany i Constant Raveloson dia tsy manaiky intsony ny olona. Ny CENI, ohatra, araka ny fanazavana dia niaiky sy nibaboka fa tsy mankato azy ny vahoaka satria tsy mety manao izay zavatra tadiaviny toy ny famenoana ny lisitry ny mpifidy. Ho an-dRavelosn Constant dia fomba fisolokiana tso-drano ny fandrombaham-pahefana tamin-kery nataon’i Andry Rajoelina sy ny tariny.

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT