Efa-taona nanaovana izay fomba rehetra i Andry Rajoelina fa nihantona teo. Ny lalan’i Absaloma no nizoran’i Andry Rajoelina, hoy i Constant Raveloson.
Anisan’ny fahotana nataony, hoy izy dia teny Ampamarinana no namantsihany an’Antananarivo, avy eo indray dia nanangana Colisée. I Andry Rajoelina irery, 2000 taona taty aoriana dia natsangany izany toerana izany, toerana izay araka ny tantara dia natao hampijaliana ireo Kristianina. Loza sy atambo ho antsika Malagasy no ataon-dRajoelina, hoy ihany ity tariky ny Mafana ity. Afaka 23 andro, hoy izy dia ho tonga ny 26 janoary, afaka 34 andro kosa ny 7 febroary. Samy mahavoaheloka ho faty avokoa na ny nandoro fananan’olona, na ny nitondra olona hatao sorona, na ny fanonganam-panjakana natao ny 17 martsa 2009.
Manoloana izany rehetra izany dia niantso ireo mpiara-mitolona aminy i Constant Raveloson hampaneno sy hitabataba hamongatra ireo ota fady sy atambo rehetra nataon’ny filohan’ny TGV. “Aoka hilofo, fongaro daholo ny 26 janoary, ny 7 febroary, ny 17 martsa. Aleo i Andry Rajoelina ho tonga saina. Azontsika sy azon’ny iraisam-pirenena atao tsara ny manenjika azy”, hoy ihany ity mpitaritolona ity, izay nanamafy fa maharary an-dRajoelina ny tandindomin’ny filoha Marc Ravalomanana ka mipenimpenina etsy sy eroa kanefa na hikiry biby amin’ny fifidianana dia tsy hisy fifidianana ho vita izany eo. Ary tsy hisy fanendrena manarapenitra azy izany. “Fantany manko fa tsy ho lany izy”, hoy i Constant Raveloson, ka “mandadilady etsy sy eroa”. “Taorian’ny nandadiladizana tany amina minisitra frantsay dia io mamangy ny fasan’i Davida any Israely io”.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.