“Diovy ny tanŕna fa be ny ratsy”, hoy Raveloson Constant tao amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka omaly. Tsy toy izao mihitsy no nanorenana an’Antananarivo, hoy izy ka miandry an’Antananarivo hanao ny hetsika farany satria ny any amin’ny faritra rehetra dia efa nihetsika avokoa.
“Tsy misy manantena an’i Andry Rajoelina hitondra intsony eto, na ny tetezamita hiarahana aza”, hoy ihany ity mpitari-tolona avy amin’ny MFM ity. Ankoatra izay dia notateriny ihany koa ny zava-nitranga tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatajahantena nandritry ny fiandrasana ny vatana mangatsiakan-dRaoul avy ao amin’ny tarika Mahaleo. Naniraka ministra ny FAT, hoy izy kanefa sendra an’Antananarivo maditra vahoaka. Na fahoriana aza dia tsy nahasakana ny vahoaka haneho ny heviny, hoy ihany izy. Ao anatin’ny fotoan-tsarotra, fahaverezan’asa sy ny fiainana tsy sasatry ny misondrotra no ampisehoan’i Andry Rajoelina fa misy vola, kanefa tsy hamoronana asa na koa hampiadanana vahoaka fa hanaovany izay tiany hatao, hoy ny Mafana. Nampitahain’i Constant Raveloson tamin’ny nify marary tsy azo tsaboina moa ny FAT ka rehefa tsy azo tsaboina ny nify, hoy izy, dia esorina no mety aminy. Ankoatra izay dia nambarany fa rehefa tsy voazavan’ny lehiben’ny mpitandro filaminana izay tompon’antoka tamin’ny ny 26 janoary sy ny daty manan-tantara rehetra taorian’izay dia mila aterina ny dosie fitoriana azy ireo. Manoloana izany indrindra dia niantso an’Antananarivo ny tenany mba hanao toy ny nitranga tao Mahamasina satria rehefa voavidy ny fitsarana dia hifandimby eny am-ponja ny rehetra, hoy ihany Raveloson Constant.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.