“Mazava izao ny tolona dia ny fialan-dRajoelina. Tsy misy fifampidinihana raha tsy feno ny fepetra rehetra takiana toy ny fiverenan’ireo sesitany, ny famoahana ireo gadra politika sy ireo mpanao gazety”, hoy Raveloson Constant tao amin’ny Magro Behoririka omaly.
Araka ny fanazavany dia nahitam-bokatra ny dinika teny Vontovorona. Vokatra voalohany, hoy izy, dia hita fa vao mpiana-draharaha ara-politika avokoa ireo mpandray anjara teny, tsy liana amin’izay ho famahana ny krizy fa mieritreritra kosa izay hitsetsefana kely. Vokatra faharoa dia ny fahitana fa tsy mahatanty intsony Rajoelina ka mihantsy sy miantso ady tamin’ny alalan’ireny didim-pitsarana ireny, hoy ihany ity mpitari-tolona avy amin’ny MFM ity. Ankoatra izay dia nambaran’i Constant Raveloson fa “tsy misy resaka mandeha amin’ny laoniny intsony eto”. Raha tsy afa-po amin’ny asan’ny fokontany ny tsirairay, hoy ihany i Constant Raveloson dia tokony handray andraikitra. Toy izany koa ireo tsy an’asa hitondra sorabaventy hitaky ny famerenana ny AGOA. Tsy hataotao foana anefa izany hetsika izany, araka ny fanazavana. Amin’ny andro iray dia hihetsika ny manodidina, ary ho hita sy ho ren’ny iraisam-pirenena izany. Tsy ampy intsony ny fifampirisihana eny an-kianja, hoy ny “Mafana” satria betsaka ny zavatra tokony hotakiana amin-dRajoelina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.