Politique

Constant Raveloson “Avoahy ny gadra, atsaharo ny gidra !”


  • Alakamisy 29 Aprily 2010


Na ny erika nifafy na ny masoandro nidanika dia tsy nanakana ireo Malagasy tia tanindrazana tsy ho eny amin’ny kianjan’Alarobia omaly. Saika hita teny avokoa ireo lohandohan’ny mpisorona avy amin’ireo ankolafy 3 sy ireo fikambanana isan-tsokajiny notronin’ireo vahoaka marobe. Ny nampiavaka ny omaly dia niditra nivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby avy any Pretoriaa ny filohan’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana, Fetison Rakoto Andrianiriana. Tamin’izany no nilazany fa ao anatin’ny asa tanteraka ireo ankolafy tsirairay avy ary dia antenaina ny hisiana vahaolana. Efa am-bolana maromaro no tsy nandrenesana an’i Constant Raveloson. Tsy misy afaka hiala amin’ny fifanarahan’i Maputo eto, hoy izy. “Tapi-dalan-kaleha ny sokina nanani-bato. Tapitra ny lalan’ny setrasetra, andao hiroso amin’ny lalan’ny repoblika, fanjakana iaraha-mitondra, tsy misy mpanjaka na amperora”. Nanao antso avo tamin’ireo vehivavy rehetra very asa koa ny tenany, ireo tantsaha, ireo mpiasam-panjakana manoloana ny fahatongavan’ny 1 mey, tsy hanaiky lembenana. Misy dingana vitsivitsy tokony harahina manomboka eto, hoy ity mpitari-tolona avy amin’ny MFM ity dia ny famoahana ireo gadra, ny fampitsaharana ny gidra ary ny fampitsaharana ny fanenjehana. Misongadina amin’izao fa ny hery tsy mahaleo ny fanahy. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT