Politique

Constant Raveloson Aiza ianao ry Iarivo ?


  • Talata 12 Oktobra 2010

“Tsy nanao afa tsy nanapotika an’Antananarivo ny FAT tarihin’i Andry Rajoelina, ka aiza ianao ry Iarivo ?”, hoy i Constant Raveloson tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana omaly, nanoloana ireo vahoaka mpanara-dia ny Ankolafy Telo.

Araka ny fanazavan’ity mpitari-tolona ity dia ny antsasaky ny mpifidy teto an-drenivohitra no nifidy an’i Andry Rajoelina tamin’ny 2007 kanefa dia izao izy manandra-tena ho mpitondra firenena izao ary dia nandrava sy namotika ny tanàna. Raha nisy, hoy ihany Raveloson dia tsy nihoatra ny 25% ireo nifidy azy tamin’izany. Nanentana ireo mpiara-dia aminy sy ny vahoakan’Antananarivo moa ny tenany ny amin’ny tokony hanehoan’Antananarivo fa tsy hifidy izy, toa izay nataon’Alarobia Amboniloha sy Analamahitsy. Araka ny nambarany ihany mantsy dia nanao hetsika fanoherana ny fifidianana ireo Fokontany ireo. Momba izay fitsapan-kevi-bahoaka sy fifidianana kasain’ny FAT hatao amboletra dia fanontaniana no napetrak’ity mpitarika eo anivon’ny MFM ho an’ireo mikiribiby hanatanteraka izany. Raha hifidy ny Eny dia inona no dikan’izany ? Raha hifidy ny Tsia kosa dia inona koa no dikan’izay ? Firy isan-jaton’ny mpifidy no ilaina hampanan-kery io fitsapan-kevi-bahoaka sy fifidianana io, hoy ihany izy. Amin’i Constant Raveloson dia toy ny tsy misy izany fitsapan-kevi-bahoaka izany. Ankoatra izay dia anisan’ny andrasana amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fampodiana sy ny fiarovana ny filoha Marc Ravalomanana. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT