Nifamotoana teny Ilaivola ny sabotsy 18 febroary 2017 teo ireo mpikambana Tiako I Madagasikara ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ivato.
Fotoana nanatontosana ny fifampiarahabana ny taona vaovao 2017, nifampitam-baovao sy toromarika ary nandraisana ihany koa ireo mpikambana vaovao resy lahatra vonona hanatevin-daharana ny antoko. Nasongadin’ireo mpandahateny tamin’izany ny maha zava-dehibe ny fifampizarana ny foto-kevitra ijoroan’ity antoko natsangan’ny filoha nasionaly Ravalomanana Marc ity amin’ny fiarahamonina. Nambaran’ny solontenan’ny birao nasionaly Rabenirina Maminiaina fa mijoro sy miasa mandavan-taona ireo olom-boafidy TIM. Tsy mitsanga-menatra rahateo hatramin’izao ireo ben’ny tanàna sy mpanolotsaina lany tamin’ny anaran’ny Tiako I Madagasikara manerana ny nosy ary ohatra azo tsapain-tanana amin’izany ny kaominina ambanivohitra Ivato. Efa mipetraka avokoa ankehitriny ny rafitra Tiako I Madagasikara eny ifotony. Efa miroso amin’ny fijerena ny rafitra iombonana amin’ireo mpanohana ihany koa ny antoko tarihin’i Dada ankehitriny, hoy ny depiote TIM voafidy ao Ambohidratrimo. Nanomana lanonana goavana saika iarahana tamin’ireo mpanakanto marobe ny COMTIM Ivato moa ny sabotsy teo fa nosakanana tamin’ny ora farany ka voatery nahemotra amin’ny fotoana manaraka, hoy kosa ny ben’ny tanàna Randrianarisoa Penjy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.