Politique

COMMUNIQUE DE PRESSE


  • Alakamisy 15 Aprily 2010

« Fanapahan-kevitr’ireo mpikambana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita »

Ho fanohizana ny fivorian’ireo Filoha izay natao tao amin’ny efitrano fivorian’ireo vaomiera tao Anosikely ny alarobia tamin’ny 9 ora maraina, dia notanterahina ny fivoriana izay notarihan’Andriamatoa Filoha lefitra Mounibou Patrick, notronin’ireo mpiara-mikambana maromaro ao amin’ny FAT tamin’ny 10 ora. Nodinihina tamin’izany ny fandehan’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao 

Marihina etoana fa ny mpikambana FAT ao amin’ny fikambanan’ny UDR no voaantson’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita Andry Nirina Rajoelina ny talata 13 aprily izay nanazavana ny fihaonana niaraka tamin’ny tafika Malagasy
Ny tatitra izay nataon’ny Filoha lefitra Lahiniriko Jean tamin’ireo namany izay tsy nanatrika io fihaonana io dia nanatsoahana hevitra maromaro manoloana ny toe-draharaha politika amin’izao fotoana izao
 
Ny mpikambana rehetra dia samy naneho hevitra fa zava-dehibe ny fanarahana ny « feuille de route » izay mifanaraka tamin’ny fanapahan-kevitra izay noraisina tamin’ny « TENY IFAMPIERANA » izay natao teny amin’ny « Centre de conférence international » Ivato, izany hoe ny fananganana ny governemanta iraisam-pirenena sy ny firosoana amin’ny fifidianana
 
Mbola hotohizana rahampitso amin’ny 10 ora  ny fivoriana entina hamaranana ny tetikasa momba ny politika vaovao ara-toekarem-pirenena izay  sahanin’ny vaomiera ara-bola sy ara-toekarena ka hanasana ireo mpanao gazety.
                                                                                              
 
                                                                                                                                                               RABE
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT