Manangasanga ny fahatanterahan’ny fikasan’ireo vondrona miantso fampihavanana arahan’ny dinika an-tampony izay mivondrona ao anatin’ny “Comité de pilotage” amin’ny alalan’ny fandraisan’ny FFKM an-tanana amin’izay ity resaka ity.
Efa herintaona tokoa no nijoro ny “Comité de pilotage” izay misy vondrona 1.050 manerana ny Nosy ary ahitana ny solontena avy amin’ny fironana efatra. Mandrisika ny FFKM hiroso hatrany ka tsy hihemotra intsony ry zareo manoloana ny fanatsatsoana ataon’ny sasany aminy. “Ny mpanao politika no mandalo fa ny fiangonana izay solontenan’ny fanjakan’Andriamanitra kosa dia mitoetra foana”, hoy i Andrianirina Max Fabien, mpampakateny eo anivon’ity komity ity. Mahatsapa ny tenany fa toa atao ambanin-javatra ny fampihavanana raha ny zava-misy ankehitriny nefa mpino ny ankamaroan’ny Malagasy na kristianina io na silamo na mpanaraka ny fomban-drazana. Nanamafy ny tenany fa “raha tsy hihavana isika dia tsy hisy ny firaisankinam-pirenena izay antoky ny fampandrosoana”. Marihina fa anisan’ireo nenjehan’ny fitondrana Ravalomanana ny tenany tamin’ny taona 2002 ary sesitany tany Frantsa nefa namela heloka ankehitriny. Te hitarika ny mpanao politika amin’izay lalana izay koa ny tenany sy ny “Comité de pilotage” tarihiny. Aoka mba ho taonan’ny fifamelana ity 2013 ity, hoy izy.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.