Tontosaina ao Swaziland mandritra ny roa andro nanomboka omaly ny fihaonana an-tampon’ny SADC (Southern African Development Community) andiany faha-36.
Nihaona tamin’ny Sekretera jeneralin’ny «Common Market for Eastern and Southern Africa» Sindiso Ndema Ngwenya ao anatin’ny delegasionina Malagasy any an-toerana ny minisitry ny raharaham-bahiny Atallah Béatrice. Vontoatin’ny dinika ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fihaonana tampon’ny Comesa andiany faha-19 ny 18 sy 19 oktobra 2016 izao. Zava-dehibe ny fisokafana amin’izao tontolo izao ho an’ny firenena Malagasy ary mitaky asa mivaingana izany, hoy ny lehiben’ny tsena iombonan’ireo firenena 20 aty amin’ny faritra atsinanana sy atsimon’i Afrika. Fotoana rahateo io nanairan’ity farany ny mpitondra Malagasy hanafaingana sy hanararaotra ireo tombontsoa azo sitrahana eo anivon’ny vondrom-pifanakalozana. Anisan’ny tetikasa hifanohanantsika amin’ny Comesa ankehitriny moa ny fampidirana ireo voka-pambolena mampalaza an’i Madagasikara tahaka ny lodsia. Nanamafy ny fiaviana eto amintsika hatreto ny mpanjakan’i Swaziland Mswati III sy ny filohan’i Zimbabwe Robert Mugabe.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.