Politique

COMESA eto Madagasikara Takon’ny fivorian’ny Frankofonia


  • Sabotsy 08 Oktobra 2016

Handray ny fihaonana tampon’ny Comesa (Common Market of East and Southern Africa) andiany faha- 19 i Madagasikara ny 10 hatramin’ny 19 oktobra 2016.

 

 Ny 18 sy 19 oktobra kosa vao hikaon-doha miaraka amin’ny fanapahan-kevitra ireo filoham-panjakana 19. Lohahevitry ny fihaonana moa ny hoe «Indostria tsy manavaka sy maharitra». Azo ambara ho takon’ny fihaonana tampon’i Frankofonia ihany ity fivoriamben’ireo firenena afrikanina hampiantranon’ny firenena Malagasy ity. Tamin’ny volana martsa 2015 nisian’ny fivorian’ireo filoham-pirenena mpikambana ao amin’ny tsena fifanakalozana iombonana eto amin’ny faritra Atsimo Atsinanan’i Afrika andiany faha-18 tao Addis-Abeba moa no efa fantatra ny fanatontosana izany eto amintsika. Tsy nisy loatra rahateo ny fampitam-baovao samihafa mikasika ny tsara ho fantatra manodidina azy io. Eny fa na dia ny tarehimarika aza dia nionona fotsiny tamin’ny fanomezana ny isan’ireo mpitandro filaminana 4.000 hisahana ny fandriampahalemana ny fanjakana Malagasy. Nankalazaina fatratra kosa ny fanomanana ny Frankofonia toy ny hoe 3.000 ireo efitra natokana handraisana ireo vahiny manan-kaja, 6.500 ireo zandary sy polisy ary miaramila hitandro ny filaminana. Nambara ihany koa ny lelavola 3 tapitrisa euro na 10,5 miliara ariary avy amin’ny namana frankofona miampy ny 50 miliara ariary natokan’ny fanjakana Malagasy hiatrehana ny fihaonana tampony.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT