Politique

«Collectif des Citoyens» Rava ny firenena, hirodana ny fitondrana


  • Alakamisy 03 Janoary 2013

Nandinika sy namakafaka lalina ny fizotry ny raharaham-pirenena ny «Collectif des Citoyens» na Vondron’ny olom-pirenena, ary dia milaza tsy ampihambahambana ankehitriny fa mizotra any amin’ny faharavana ny firenena, ary hirodana ny fitondrana.

 Tsy vitan’ny raharahan-jiolahimboto sy besandry na koa tany tsy tan-dalàna intsony no iainana eto amin’izao fa efa tena fanapotehana sy fandringanana mihitsy, hoy i Andrianifahanana Raodson nanamafy. Raha nandray ireny fanapahan-kevitra ny tsy hilatsaka hofidiana ireny Atoa Marc Ravalomanana, dia azo heverina, hoy ity farany fa tsy te ho tompon’andraikitra amin’izao fanapotehana firenena izao izy ; mety ho izay koa no mahatonga ny FFKM manao tsobodranon-dRamiangaly io sao lazaina na ampangaina ho mitanila.

Sarotra ny hahavitana fifidianana madio, demokratika, eken’ny rehetra ao anatin’izany, hoy ny «Collectif des Citoyens» satria dia eo am-pelatanan’ny ankolafy ihany koa ireo ministera voakasika mivantana amin’izany, toy ny Atitany, fitantanam-bola, fitsarana, filaminana. Koa raha hikiry hanao fifidianana amin’izao dia vao mainka ho loza ny krizy hiseho aorian’ny fifidianana. Eo anatrehan’izany dia miantso ny Akademisianina ny «Collectif des Citoyens» mba hijoro, miantso ny Filankevitra siantifika ihany koa izy ireo mba hanome ny heviny. Fotoana izao, hoy i Andrianifahanana Raodson hijoroan’ny manampanahy sy ny avara-pianarana, raha tsy izany dia hanjaka eto ny «jiolahy» mpandringana.

Nangonin’i Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT