Politique

Collectif des Citoyens Izay kandida tsy hampody an-dRavalomanana no tohanan’i Frantsa


  • Alarobia 30 Janoary 2013

Tsy mety maty ao ampon’ny mpanohana ny filoha Marc Ravalomanana ny fanamnbaran’ny masoivoho frantsay vaovao miasa eto Madagasikara, François Goldblatt fa aorian’ny fifidianana vao tsara miverina an-tanindrazana izy.

 Ho an’ny «Collectif des Citoyens» anefa dia tsy atao mahagaga ireny heviny ireny satria tsy mety amin’i Frantsa mihitsy ny fodian’ity filoha teo aloha ity eto na taloha na ankehitriny na amin’ny ho avy. “Izay kandida mitsipaka ny fiverenany an-tanindrazana no tohanan’i Frantsa amin’io fifidianana amin’ny 08 mey io”, araka ny tenin-dRaodson Andrianifahanana, mpikambana ao amin’ity fikambanana iray ity.

Nasiany resaka koa ny fisamatsamahan’ny mpomba an’i Andry Rajoelina ankehitriny ka nilazany fa rariny raha samy mijery izay tombontsoany manokana ireo mpanao politika mpanohana azy satria samy mitady izay hisolo ny toeran’ny filohan’ny FAT izy ireo rehefa tsy handray anjara amin’ny fifidianana ity farany. Kely finoana amin’ny hisian’ny fifidianana mihitsy moa ny «Collectif des Citoyens» sady manahy ny hisian’ny korontana.“Na raikitra ny fifidianana na tsia dia hikorontana foana eto satria raha tanterahana izany dia hatao amboletra. Ny tsy fisiany koa anefa dia vao mainka hanamafy ny fahasahiranan’ny Malagasy izay hiafara amin’ny fipoahana ara-tsosialy”, araka ny nambaran-dRaodson Andrianifahanana.

 Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT