Voatokana ary voatolotra ho an’ny artista ny «Coliseum de Madagascar» eo Antsonjombe.
Dila indray aloha ny fetifety, fa dia hiverina amin’ny rotorotom-piainana indray Antananarivo sy ny Malagasy amin’ny ankapobeny. Raha ny filazan’i Andry Rajoelina omaly dia maherin’ny 12 000 tapitrisa Ariary no lany tamin’ny nanamboarana ny «Coliseum de Madagascar». Manodidina ny 50 tapitrisa Ariary eo dia mahaorina sekoly na CSB iray, any ambanivolo any. Raha atao izany ny kajikajy tsotsotra dia EPP na CSB miisa 300 no vita sy nisokatra tamin’ny vola nanamboarana an’Antsonjombe. Tsy vitan’ny hoe akaiky ny vahoaka eny ifotony ny sekoly sy CSB fa ireo koa no tena ilan’ny vahoaka maro an’isa amin’izao fotoana izao. Tsy izay anefa no laharampahamehan’ny mpitondra tetezamita, sady tsy zara asany rahateo ny manorina fotodrafitrasa lehibe toa an’Antsonjombe fa tokony hifantoka amin’ny fanomanana fifidianana ny asany.
Mangatsiaka ny vahoakan’Antananarivo
Izay teo ihany fa niseho tamin’ny endrika maro i Andry Nirina Rajoelina omaly, nandritra iny fitokanana ny «Coliseum de Madagascar» sady fanamarihana ny faharoa taonan’ny Repoblika faha-4 iny. Tahaka ny efa mahazatra azy isaky ny asaramanitra dia niakanjo tahaka ny mpanjaka sy nampisongadina ny maha zanak’Antananarivo azy i Andry Rajoelina. Rehefa hikabary indray izy dia niova kely ho mpanentana lanonana aloha, ary efa kely sisa dia saika resiny ry Fou Hehy. Avy eo nivadika ho mpitoriteny tampoka izany indray i Andry Rajoelina ka nanonona andinin-tsoratra Masina maromaro momba ny fitiavana. Nambarany fa fitahian’Andriamanitra lehibe ny nahatsara ny andro, io omaly io, satria avy foana ny orana teto an-drenivohitra nandritra ny telo andro teo alohan’ny 11 desambra. Avy eo dia nitory fitiavana tamin’Antananarivo ny tenany.
Nasongadiny ihany koa anefa fa hoe nanorina sy nanangana ho an’ny taranaka izy sy ny tetezamita, dia notanisainy teo moa ny hoe fony izy Ben’ny tanàna no natsangana ny Lapan’ny tanàna eto Antananrivo Renivohitra, izay may tamin’ny 1972, namboarina ny kianja Maki ary naorina koa ny Coliseum mba ho fanomezana fahafaham-po ny mpanakanto sy haha matihanina kokoa ny asa ataon’izy ireo. Ary ny hafa kely nitranga teny Antsonjombe omaly dia nandray micro sy tononkira ary nihira ny ‘Namako” an-dry Tsiakoraka i Andry Rajoelina. Na dia somary nivalana ihany aza dia vita hatramin’ny farany ary nasiana Bis mihitsy ilay hira. Na dia teo aza anefa izany fihetsiketsehana MC (Master of Ceremony) nataon’i Andry Rajoelina izany dia hita ho nangatsiatsiaka ihany ny olona fa tsy tena nanaraka ny fanentanana nataony sy toa tsy nifantoka izany tamin’ny kabariny, eny fa na dia efa nitarika lamako aza, izy.
Hita aloha fa mbola mahatadidy tsara ihany, ny asa fanaony fahiny i Andry Rajoelina koa raha tsy mahomby amin’ny fanaovana politika ny tenany, dia afaka manentana fety aman-danonana tsara mihitsy. Hita ihany anefa fa mahay manavaka tsara ny setroka sy tomany ny olona, tsy tahaka ny ambiansy fony tamin’ny propagandy fifidianana Ben’ny tanàna tamin’ny 2007 intsony, ny zava-nitranga teny Antsonjombe omaly, na dia mbola i Andry Rajoelina ihany aza no …mpanentana. Hita sy tsapa fa efa manomboka mangatsiaka aminy ny vahoakan’Antananarivo, izay maro be mihitsy no mijaly amin’ny krizy. Tsy nampiraika firy ny olona ny kabarin’i Andry Rajoelina fa ireo hira sy dihy, nifandimbiasan’ireo mpanakanto, no tena nanetsika ireo vahoaka tonga teny. Taty afovoan-tanànan’Antananarivo moa dia toy ny tsy nisy fety sy andro tsy fiasana izany omaly, satria dia nifanaretsaka nitady ny hanin-kohaniny ny olona, nisokatra ny tranombarotra sy toeram-pivarotana ary ny tsena samihafa. Ny ankaroan’ny sekoly katolika teto an-drenivohitra sy tao Antsirabe koa izao, dia nianatra omaly.
RTT sy Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.