Politique

CNOSC Nihaona tamin’ny ankolafy telo


  • Talata 27 Jolay 2010


Tonga nihaona sy nifampidinika tamin’ny ankolafy telo teny amin’ny villa “La Franchise” Ivandry, misy ny trano fonenan’ny Pr Zafy Albert, omaly ny CNOSC, komity ivondronan’ny fiarahamonim-pirenena izay teraka taorian’ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny KMF/CNOE sy ny “Alliance” ary ny “Coalition” des OSC (Organisation de la Société Civile) ny zoma 23 jolay teo. Fihaonana fampahafantarana ny antom-pisiany sy ny andraikitr’izy ireo amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara izy ity. Noresahina betsaka tamin’izany ny fihaonambem-pirenena. Raha nanazava i Fetison Rakoto Andrianirina, lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana dia nilaza fa “azo atao ny mifampidinika rehefa misy ny fitoniana politika. Na izany aza dia mametra-panontaniana izy, raha toa manam-piniavana ary resy lahatra amin’izany ny ankolafy Rajoelina, izay sakana hatrany amin’ny famahana ny krizy teto”. Fanontaniana napetrany koa ny amin’ny fanatanterahana izay zavatra tapaka amin’izay fihaonana hatao eo? Fanontaniana tsy nahitam-baliny, fa dia ho lahadinika amin’ny fihaonana manaraka.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT