Politique

CNOSC Fampihavanana, fihaonambem-paritra ary fihaonambem-pirenena


  • Talata 05 Jolay 2011

Tsy maintsy hirosoana ny fampihavanana mialoha ny hananganana Repoblika, hoy ny Cnosc ka ao anaty fahatoniana no tokony hanatontosana izany.

 Tsy misy afa tsy fiaraha-mitantana tenierana sy iraisana ihany no hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy izao, raha ny hevitry ny fiarahamonim-pirenena mivondrona ao amin’ny Cnosc. Ankoatra izay dia tsy maintsy miroso amin’ny fifampidinihana ny samy Malagasy, hoy ihany ity vondrona ity. Manoloana ny fisaratsarahan'ny fanelanelanana iraisam-pirenena amin'ny famoahana an'i Madagasikara amin'ny krizy dia hanomana dinika famahana olana andiany faharoa ny Cnosc.

Ao anatin'ny dingana irosoana amin'izany dia hanao fihaonambe ny fiarahamonim-pirenena ny 8 sy 9 jolay ho avy izao ka manerana ireo renivohi-paritany 6 no hanatanterahany izany. Ireo firehana politika nifampidinika teny Ankerana tamin'ny 3 jona 2011 rahateo dia mitaky ny hisiana fihaonambem-pirenena eo amin'ny samy Malagasy. Io fihaonana io, araka izany, dia tokony hitarika amin'ny fihaonan'ireo lehiben'ny ankolafy 4 sy ireo firehana hafa manana ny lanjany eto amin'ny firenena. Ho fotoan-dehibe koa io hamotsipotsirana ireo tsy fifankahazoan-kevitra rehetra misy, ary hamoahan’ireo ankolafy politika rehetra miaraka amin’ny fiarahamonim-pirenena izay tena heverin’izy ireo fa ho vahaolana amin’izao krizy efa tena mihatra aman’aina izao. Fotoana ihany koa hifampifehezan’izy ireo amin’ny fampiharana izay tapaka rehetra ao.

 

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT