Mitaky ny hanemorana ny fifidianana Ben’ny tanŕna sy mpanolotsain’ny tanŕna saika hotanterahana ny 20 desambra 2010 izao ny Antoko Miombon’ezaka (AME) tarihan’i Clément Ravalison, izay mpikambana ao amin’ny CST moa.
Nambaran’ity farany mantsy fa antomotra loatra io daty io no sady tafiditra tanteraka mihitsy ao anatin’ny vanimpotoan’ny orana, na ny fahavaratra izany. Efa niaraha-nanaiky teny amin’ny fihaonambem-pirenena sy nandritra ireo dinika politika natao teny Ivato sy Vontovorona, hoy i Clément Ravalison fa tsy hisy intsony ny fanatanterahana fifidianana mandritra ny fahavaratra mba hahamora ny fikarakarana sy hialana amin’ny sampona maro samihafa ary hanala fahasahiranana ireo kandida tsirairay avy amin’ny fitetezam-paritra ataony mandritra ny propagandy. Fa anisan’ny olana ihany koa amin’io fifidianana Ben’ny tanàna amin’ny 20 desambra io dia ny fanomanana ireo antontan-taratasy.
Araka ny filazan’i Clément Ravalison azy mantsy dia ho sarotra ny famenoana ilay «État 211 bis» izay tsy maintsy anaovan’ny kandida tsirairay avy fanambarana ny fandoavan-ketra nataony nandritra ny telo taona farany. Efa hatry ny ela moa ny AME no nanambara fa tsy tokony hasiana an’io aloha amin’ny fifidianana izay atrehana mandritra ny fitondrana tetezamita satria nandalo krizy nandritra ny roa taona isika, hany ka maro ireo tsy nahaloa ara-dalàna ny hetrany.
Tsy rariny anefa araka ny fahitan’ny Antoko Miombon’Ezaka azy raha ny tsy fahafenoan’io «État 211 bis» io no tsy hanekena ny filatsahan-kofidiana. Ho an’i Clément Ravalison moa dia karazana fitaovana politika hanilihana ireo kandida sasany io resaka fandoavan-ketra io. Mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra kosa dia nambaran’ity mpanao politika mpikambana ao amin’ny CST ity fa hita ho tena tsy ampy mihitsy ny fanentanana sy ny fampielezan-kevitra. Etsy ankilan’izay dia tsy miraika amin’ilay izy mihitsy ny olona, tahaka izany ihany koa ny fiomanana, hany ka mampametra-panontaniana ihany ny amin’ny fanatanterahana azy. Tahaka ny efa milaza an-kolaka sahady i Clément Ravalison fa tokony hahemotra amin’ny fotoana manaraka ihany koa ny fitsapan-kevi-bahoaka satria antomotra loatra ilay amin’ny 17 novambra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.