Politique

Claudine Razaimamonjy Nompainy ny BIANCO


  • Alatsinainy 03 Jolay 2017

Na ireo heverina fa maditra sy mafy loha aza taitra rehefa nahare ilay horonam-peo mirakitra ny antso an-telefaonina nifanaovan’ny Bianco sy Ramatoa Claudine Razaimamonjy izay nanomboka niparitaka tany anaty tambajotran-tserasera ny sabotsy teo.

 

 Sady nanao vava be no nandrahona ary mbola be teny ratsy sy nanompa ihany koa ity mpandraharaha sady mpanolotsain’ny filoha ity. Fiantsoana azy am-panajana mba hihaona sy hiresaka momba ny raharaha mahakasika azy no natao kanefa dia vava be feno faniratsirana no nasetriny. « Tsy hihaona aminareo aho a a ! Ianareo fantatray fa ampiasain'ny mpanohitra ! Aleo hiala ny Prezidà Hery vao miantso ahy ianareo ! », hoy izy sy ny hoe : « Fanadihadiana amin'ny inona ? Tsy misy saina maty daholo ! Mangala « audience » any amin'i Hery Rajaonarimampianina ary ! Andraso hiala Rajaonarimampianina vao miantso ahy ianareo... Ianareo ataon'ny « opposition » fitaovana ry Bianco a... Alaivo aty amin'ny Palais aty Iavoloha aho raha sahy ianareo ! Tongava aty Iavoloha fa aty aho izao ! ». Santionany ihany ireo, tsy nasiana ireo teny maloto saingy kosa efa  mahalaza zavatra betsaka ny amin’ny toetra sy ny fizahozahoan’ity ramatoa tena mihevitra azy fa tsy azon’aloka sy tsy matahotra na iza na iza ity.

Manana mpiaro matanjaka ?

“Olona tahaka izany ve no mpanolotsaina sy olona atokisan’ny filoham-pirenena”, hoy ny resaka tetsy sy teroa …manimbazimba tsotra izao ny rafitra misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana ary tena mampiasa araka izay tiany ny anaran’ny filoham-pirenena. Mazava amin’ny fomba firesaka sy ny famaliny fa misy olona tena matanjaka atokisany fa hiaro azy. Izay ihany koa no azo hanazavana ny sangodim-panina momba azy amin’izao fotoana. Moa ve tena narary marina izy ? Tsy maintsy nandeha tany Maorisy ve sa saika hitsoaka fa tsy tafavoaka satria tratry ny tsindry iraisam-pirenena ? Ary moa ve tena migadra any amin’ny fonjan’i Manjakandriana marina i Claudine Razaimamonjy sa tohin’ny sinema io mandra-pahita ny tena hatao ? Ankoatra ity horonam-peo ity dia re fa mbola misy porofo sy tsiambaratelo hafa any manodidina ny raharaha Claudine Razaimamonjy fa dia ho hita eo ny tohiny satria misy olona tena ambony eto amin’ny firenena voatonontonona anarana amin’ity afera ity.

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT