Omaly alarobia 12 aprily no niala tao amin’ny toerana nitsaboana azy dia ny Clinique Fortis Darné de Curpipe any Maorisy Rtoa Claudine Razaimamonjy, araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra avy ao amin’io toeram-pitsaboana io ary nisy ny taratasy manaporofo izany.
Tsy fantatra mazava kosa ny toerana nandehanany, tsy nisy rahateo ny fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny fanjakana Malagasy. Fa io omaly io ihany dia nampiaka-peo ny MMM tarihan’i Hajo Andrianainarivelo ary nilaza fa nangataka tamin’ny fitondrana Maorisianina mba hamerina an’i Claudine Razaimamonjy aty Madagasikara satria olona migadra vonjimaika izy sady mbola mila tohizana ny fanadihadiana. Nampahafantarinay ny manampahefana Maorisianina, hoy i Hajo Andrianainarivelo fa olona voarohirohy amina raharaha fanodinkodinana volam-panjakana, kolikoly ary famotsiam-bola i Claudine Razaimamonjy ka mila averina haingana aty Madagasikara. Tena hentitra sy tsy misomonga amin’ny resaka ady amin’ny kolikoly ny nosy Maorisy ka asa raha handray andraikitra tokoa ka hamerina an’ity mpandraharaha mpanefoefo ity aty Madagasikara na ahoana. Tsy maintsy misy taratasy ofisialy avy amin’ny fitsarana sy ny fanjakana Malagasy koa anefa milaza mazava ny zava-drehetra mialoha izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.