Politique

Claudine Razaimamonjy Nafindra eny Manjakandriana


  • Zoma 16 Jona 2017

Tsy ao amin’ny fonjaben’Antanimora intsony i Claudine Razaimamonjy fa nafindra toerana. Omaly tamin’ny 1ora sy sasany tolakandro teo no niala teny an-toerana ary nentina any Manjakandriana ny tenany.

 Ho fanamafisana ny fitazonana azy ve izao famindran-toerana izao sa hanamorana ny famotsorana azy tsikelikely ? Somary mihataka ny renivohitra ny toerana namindrana azy, ka ho sarotra  ny fanaraha-maso na mbola tazonina tokoa ny tenany na efa votsotra. Tetsy amin’ny hopitaly HJRA aza mantsy dia sarotra tokoa ny nanamarina ny naha tao an-toerana na tsia azy satria na ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) aza saika tsy nahita mangirana. Toa mitombina ankehitriny ny hoe havotsotra tsimoramora ity mpandraharaha voarohirohy tamina fanodinkodinana volam-panjakana ity. Tombantombana ihany anefa ny an’ny olom-pirenena fa ny tantara no hanamarina na handiso azy. Raha dinihina amin’ny zava-misy dia mizotra mankany famotsorana azy ny raharaha. Sazy miandry azy noho ny fanodinkodinana volam-bahoaka miaraka amin’ny famotsiam-bola ny asa an-terivozona 5 hatramin’ny 20 taona, araka ny andininy faha-169 ao amin’ny lalàna famaizana, hoy ny eo anivon’ny SMM, ka samy miandry ny rehetra. Efa noresahina matetika fa tsy nahavita fahagagana ity ramatoa ity. Tsy maintsy nisy ny mpiray tendro taminy tao, saingy mandrak’ankehitriny, tsy mbola voakitika ireo olobe voalaza fa mpiray tendro taminy, ary mety ho efa manamafy sy tena efa manampatra ny fahefana amin’ny fanaovana tsindry amin’ny hamotsorana an’i Claudine Razaimamonjy mba hilaminan’ny raharaha tanteraka tsy hivoahan’ny afera maloto rehetra. Nialoha ity famindran-toerana ity dia nambaran’i Tsiory Razafimandimby, Tompon’andraikitry ny Bianco fa azon’io sampan-draharaha io atao tsara ny manadihady an-dRamatoa Claudine Razaimamonjy amin’ireo dosie 5 mbola miandry azy. Manodidina ny tsenam-panjakana sy tatitra avy amin’ny SAMIFIN momba ny famotsiam-bola ireo dosie hafa ireo raha ny fanazavany. Azon’ny Bianco atao amin’ny fitsarana ny fangatahana famoahana azy hanaovana fanadihadiana ary haverina any am-ponja indray rehefa vita.  Andrasana ny fanehoan-kevitry SMM sy ny mpandraharahan’ny fonja sy ny herivelona samihafa.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT