Politique

Claudine Razaimamonjy Hanao ampamoaka goavana ?


  • Talata 25 Aprily 2017

Fanodinkodinana volam-panjakana no hanenjehana an’i Claudine Razaimamonjy. Tafiditra ao ny fanjakana, indrindra fa ny minisiteran’ny atitany, tantanan’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay voatonona ho tompon’antoka tamin’ny fanomezana tsenam-panjakana azy.

 Ahoana no ahafahan’ny minisiteran’ny serasera sy ny asam-panjakana tamin’ny alalan’ny minisitra Harry Laurent Rahajason milaza fa tsy raharaham-panjakana fa an’ny fitsarana fotsiny ny raharaha Claudine Razaimamonjy ? Tsy mety mivoaka ny marina noho ny fitsaboana an’i Claudine Razaimamonjy. Tsy afaka ny hilaza ho marary foana ny tenany fa tsy maintsy ho avy ny andro sy ny fotoana hitenenany. Tsaboina ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha izy amin’izao fotoana izao, ka ao amin’ny efitrano faha-126, fandidiana mikasika ny loha sy hazondamosina no misy azy, raha ny vaovao farany. Nambaran’ny Pr Rakoto Alison Oliva, tompon’andraikitra ao amin’ny hopitaly HJRA (DE) omaly kosa fa mijanona ho tsiambaratelon’ny mpitsabo ny aretina mahazo azy. Tsy fantatra, araka izany, izay fotoana mety hivoahany ka hahafahana manohy ny fanadihadiana. Raha vao tomombana kosa ny fahasalamany, hitohy ny fanadihadian’ny fitsarana sy ny fampiharana ny didy fampidirana am-ponja azy vonjimaika izay navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (CPAC) ny 7 aprily, izay tsy tanteraka.

HANAO AMPAMOAKA ?

Tsy nety niteny firy i Claudine Razaimamonjy nandritra ny fanadihadiana natao taminy teny amin’ny Bianco nandritra ny fitazonana azy teny Ambohibao. Mety misy olona ambony maromaro harovany, ka izay no nampihidy vava azy. Mandeha ny tsindry isan-karazany amin’ny hampiharana an-tsakany sy an-davany ny lalàna, manamafy izany ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) ary mitaky ihany koa ny hanatsaharana ny teritery sy ny antsojay atao amin’ny mpitsara. Mandeha ny resaka fa tadiavina halentika irery i Claudine Razaimamonjy amin’ity resaka kolikoly sy famotsiam-bola ity. Tsy hanaiky hatao sorona fa mety mba efa mametraka paikady hoenti-miady sy miaro tena ity mpandraharaha ity, ka rehefa hita fa tena ho rendrika ny sambo dia ho raikitra ihany ny ampamoaka. Ho fantam-poko fanta-pirenena eto amin’izay ireo niray afera taminy, izay voalaza fa olona ao an-dapa sy mpikambana ao anaty Governemanta ny ankamaroany. Tsy hanaiky hizaka irery ny afera niaraha-nanao izy ary voalaza fa matahotra mafy ny ainy amin’izao fotoana izao ka izay no mahatonga azy mihorohoro mafy halefa eny Antanimora. Mandeha ny resaka fa misy mikasa hampangina ny marina momba ity raharaha ity ka izany no mahatonga izao sangodim-panina be izao.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT