Politique

Christine Razanamahasoa “Tsy hipasy io fikasana hampiato ny Filoha io…”


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Raha nisy an’iny fitsipaham-pitokisana iny tamin’ny taon-dasa ka raha manontany ianao hoe mbola hisy, dia tsy tompon’ny ampitso isika, hoy Rtoa Christine Razanamahasoa Filohan’ny Antenimierampirenena omaly.

Miomana amin’ny fivoriana ara-potoana amin’ny volana may moa io andrim-panjakana io. Nambarany kosa fa raha amin’izao aloha tsy mbola misy eritreritra an’izany, fa io ihany koa mbola miankina amin’ny fahaizana mifandray amin’ireo solombavambahoaka, hoy izy. Mikasika ny Filoham-pirenena, disoiko tanteraka, hoy izy, ny filazana fa tokony hoesorina tsy ho filoha Atoa Andry Rajoelina noho ny fizakany zom-pirenena roa satria malagasy ray sy reny izy. “Raha ny voarakitry ny andininy faha-42 ao anatin’ny lalàna mifehy ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy, dia foana avy hatrany ny fizakana zom-pirenena Malagasy rehefa mizaka zom-pirenena hafa ny olom-pirenena iray, ka tsy ilana ny HCC akory ny fanesorana amin’ny Filoha ankehehitriny Andry Rajoelina ny zom-pirenena Malagasy fa Fitsarana tsotra dia efa afaka manala azy, raha mitombina io zom-pirenena roa ananany io”, hoy moa ny fanehoan-kevitry efa nataon’ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha Atoa Gérard Andriamilerovason. “Ankoatra ny andininy faha-42 voalaza ao anatin'ny “Code de la nationalité”, dia tokony hodinihana manokana ihany koa, hoy kosa Rtoa Christine Razanamahasoa, ny andininy faha-45 izay milaza fa ny fahaverezan'ny zom-pirenena dia miainga avy amin'ny fangatahan'ilay olona ary mahazo fankatoavana avy amin'ny governemanta malagasy amin'ny alalan'ny didim-panjakana. Nilaza noho izany izy, fa tokony hojerena ihany koa io andininy faha-45 io fa tsy ny 42 ihany no ambara. Ny momba ny fangatahana faharoa nataon’ny HCDDED eo anivon’ny HCC izay niainga tamin’ny taratasy nalefan’ny Depiote 23 mikasika fandikana lalàmpanorenana andininy faha-49 noho ny fampifangaroana ny asany amin’ny raharahan’antoko kosa, dia nilaza Rtoa Christine Razanamahasoa fa tsy asan’ny HCDDED izany. Anjaran’ny HCJ no mamoaka ny fanapahan-kevitra momba ny “déchéance” na fampiatoana ny Filoha, fa fanamarihana ny fahabangan-toerana aorian'ny “déchéance” avoakan'ny HCJ ihany no ataon’ny HCC, hoy izy, izay naneho fa aminy dia tsy azo heverina ny ho fahombiazan’ny fanesorana ny Filoha. Tena izay ve ny voarakitry ny lalàmpanorenana? Mbola misy arofanina amin’ny lalàna ve izany ilay Filoha sa efa tena afaka manao izay maha diavolana ny sainy tanteraka. Sao tokony hovaina hoe: “Amperora”? hoy ny sangisangy zary tenany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT