Politique

Chissano sy ireo mikaro-bahaolana Nilazaon’i Andry Rajoelina naka aina any Anjajavy


  • Alatsinainy 26 Jolay 2010

Any Anjajavy hatramin’ny sabotsy 24 jolay i Andry Rajoelina mivady. Nosy kely, paradisa, 120km any avaratr’i Mahajanga, tanŕna ao anatin’ny distrikan’Analalava no misy an’i Anjajavy. Misy toeram-pitsangantsanganana tantanana Karana izy ity, misy seranam-piaramanidina ary ahitana hotely raitra koa ao.

Mazava loatra fa dia hiala sasatra, miala ny resabe manodidina ny “bois de rose”, ny tsy fandriampahalemana, ny fandrobana, ny fanararaotam-pahefana sy ny tsindry na “pression” samihafa eto an-tanàna izy matoa nisintaka tany. Fa ny mahatonga saina ny maro dia ao anatin’ny fotoana maha vaky loha ireo tia tanindrazana mikaro-kevitra hanavotana ity firenena ity amin’izao krizy lavareny izao, indrindra i Andry Rajoelina no makamaka aina, mandamin-tsaina any Anjajavy. Toerana tsy misy tambajotra amin’ny serasera anatiny rahateo i Anjajavy, izany hoe tsy hisy mpanelingelina izy ireo. Samy manana izay handraisany azy, fa ny mazava dia  fanarontsaronan-javatra sy fisehoana ivelany avokoa mba hilazana fa mihevitra ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena ny diany tao amin’ny hopitaly Androva sy ny fampanantenana hanorenana hopitaly lehibe mivelatra amin’ny tany iray alina metatra sy handaniana vola 14 miliara ariary natao ny zoma 23 jolay sy ny fandaharana nambara fa mivantana natao tamin’ny haino amanjerim-panjakana ny alin’ny alahady 25 jolay. Ny marina dia fandaharana manokana, nentanina mpanao gazety nofidiana mialoha, nametraka fanontaniana efa voaomana hanomezan’i Andry Rajoelina valin-teny efa vita mialoha iny natao iny. Ny sabotsy teo anelanelan’ny tamin’ny telo ora ka hatramin’ny dimy ora sy sasany maraina, no natao ny fandraisam-peo sy ny fandraketana an-tsary ilay fandaharana nalefa ny alin’ny alahady.

Teo amin’ny “terrasse”-n’ny Banky Foibe ao Mahajanga, eo amoron-dranomasina no nanaovana ny fandraisam-peo. Nanaitra ny mponina manodidina ny hazavana be teo amin’ity trano naorin’ny filoha Marc Ravalomanana, ho toeram-piasan’ny filoham-pirenena any Boeny ity. Ireo nanaraka ny fandaharana disa samy hanamarika fa raha mbola maizina ny vodilanitra tao aorian’i Andry Rajoelina teo am-panombohana ny fandaharana dia mihamazava izany teo ampiafarana, satria madiva hazava ny andro vao vita ny fandraisam-peo. Mifanohitra amin’ny filazana fa mivantana, satria ny lojikan’ny mivantana dia maizinkitroka ny vodilanitra. Dikany, sinema avokoa ny zava-drehetra. Mazava tamin’iny fandaharana sy dia tao an-drenivohitr’i Boeny iny fa hanao “Dinika Santatra” izay hanao izany, ho lany andro hivory izay mpanao politika mikaro-bahaolana any ary mahazo mandray izay tolokevitra any ny iraka tarihin’i Joaquim Chissano alefan’ny sehatra iraisam-pirenena, fa “tetezamita entin’izay mitondra fanovana” ny azy.

 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT