Ilaina harovana tsara ireo dingana fanomanana ny fifidianana manoloana ny fitanilana, ny hosoka na koa ny kajikajy avy amin’ny mpitondra fanjakana, hoy ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar).
Vahaolana maharitra hiatrehana izany ny «e-gouvernance» na fampiasana hairaha avo lenta fanisam-bahoaka miainga eny anivon’ny fokontany. Ho fantatra ara-potoana miaraka amin’io fomba fiasa vaovao manaraka ny toetrandro io avokoa mantsy ny isan’ny mponina sy ireo olom-pirenena feno taona eto Madagasikara, hoy ny fikambanana. Tokony hofoanana ihany koa ny CENI (Commission Electorale Nationale Indépendante) satria mijanona ho andraikitry ny minisiteran’ny Atitany avy hatrany ny fandaminana sy fanomanana ireo fifidianana mifandimby eto amin’ny firenentsika, hoy ity fikambanana mpandinika ny hoavin’ny fiarahamonina Malagasy ity. Tolo-kevitr’ity farany moa ny fitazonana ny fe-potoana fanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara. Isaky ny volana martsa ny fifidianana sefo fokontany. Isaky ny volana mey ny fifidianana kaominaly. Ny volana jona no fifidianana ho an’ireo solombavambahoaka raha ny volana jolay izany ho an’ny lehiben’ny faritra. Ny talata voalohan’ny volana septambra kosa ny fifidianana filohan’ny Repoblika.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.