Politique

CENI-T Hanao fanambarana goavana


  • Alatsinainy 04 Febroary 2013

Tsy maintsy hisy ny fanambarana ofisialy hataon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI-T mialoha ny 7 febroary, raha ny tenin-dRtoa Atallah Béatrice filohany no zohiana.

 Tsy maintsy hisy koa anefa mialoha izay ny fihaonana amin’ireo vondrona politika nanasonia ny tondrozotra sy ny sehatra iraisam-pirenena. Io ilay hatao mandritra ny roa andro, manomboka amin’ity alatsinainy ity eny amin’ny CCI Ivato. Tsy azo lavina intsony, hoy ny filohan’ny CENI-T fa nisy ny fahatarana teo amin’ny asa rehetra natao, tahaka ny fanisana ny mpifidy, fanoratana ny lisi-pifidianana. Izao aza dia tsy maintsy hanao “opération” kara-panondro indray ny ministeran’ny Atitany, satria valo hetsy mahery, voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana no tsy manana kara-panondro. 

Ao raha 

Bileta tokana no hampiasaina eto, hitambatra ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa sy ny fifidianana solombavambahoaka, ka tsy maintsy misy ny fanentanana sy fampianarana ny olom-pirenena ny momba izany. Tsy mbola manomboka anefa hatramin’izao io fanentanana io, izay tsy maintsy atao. Efa maro ny mpanao politika miresaka etsy sy eroa fa tsara kokoa raha ahemotra ny fifidianana, tsy vitsy koa ny olom-pirenena tsotra resy lahatra fa maika loatra io fifidianana amin’ny 8 mey io, ka tena mety vao miha hampitombo ny krizy. Ary etsy ankilan’izay na dia nilaza ny hanampy ara-bola aza ny avy any ivelany dia hita fa mbola miandry zavatra izany. Marina fa efa misy ny tondrozotra saingy raha ny fahitana azy dia tsy mbola mahazo antoka ny amin’ny mahafeno ny fepetra eto ny sehatra iraisam-pirenena ka tonga dia hampitobaka ny vola hanaovana fifidianana. Ny CENI-T sy ny Firenena Mikambana moa no niara-nametraka ny tetiandrom-pifidianana, taorian’ny fihaonana tamin’ireo vondrona politika, koa matoa miverina indray io fihaonana io dia ….ao raha !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT