Politique

CENI Mitohy ny fitetezam-paritra


  • Alakamisy 29 Jolay 2010

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra sy ny fanazavan-kevitra ataon’ny CENI na ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana. Anisan’ny notsidihana ny talata lasa teo ny tao Toamasina voalohany, ka nitarika ny iraka avy aty Antananarivo i Haritiana Raveloson.

Nampahafantarina ireo tompon’andraiki-panjakana sy solontenan’ny antoko politika, ny fiarahamonim-pirenena ary ireo fikambanana maro samihafa, teo ihany koa ny olon-tsotra nanatrika ny famelabelaran-kevitra fa tsy hisy intsony manomboka izao ny fanatanterahana fifidianana ao anatin’ny vanim-potoana misy orana. Napetraka ary fa eo anelanelan’ny 15 aprily ka hatramin’ny 30 novambra no fotoam-pifidianana eto amintsika. Izany no natao moa dia mba hanamora ny fikarakarana sy ny propagandy ataon’ireo kandida tsirairay avy, ao anatin’ny fanatsarana nentin’ny CENI ihany koa ny fanovana ny ora fisokafan’ny birao fandatsaham-bato ka manomboka izao duia eo anelanelan’ny amin’ny 7 ora maraina ka hatrain’ny 4 ora tolokandro no fotoana hahafahana mandeha mifidy. Vita hatreo ihany koa ny bileta maro be, fa dia hiroso amin’ny fampiasana ny bileta tokana amin’izay isika eto Madagasikara. Foanana manomboka izao ihany koa ny famoahana «ordonnance» mandritra ny fifidianana rehetra atao eto Madagasikara, efa nisy ny ezaka manokana natao eny anivon’ny fokontany tsirairay avy mba hampidirana ao anatin’ny lisi-pifidianana ireo olona rehetra feno taona. Ankoatra izay dia nanamafy ireo avy ao amin’ny CENI fa ho henjana ny fanaraha-maso ny fihetsiky ny kandida tsirairay avy, ary ny tanjona amin’izany dia ny mba hampitovy zo azy ireo. Mbola manohy hatrany ny fitetezam-paritra ataony moa ireo mpikambana ao amin’ny CENI, ka sady mandeha ny famelabelaran-kevitra no atao ihany koa ny fametrahan ireo solontenan’ity komity ity eny anivon’ny faritra.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT