Politique

CENI, Kongresin’ny tetezamita Mandra-pahoviana ireo toerana banga ?


  • Talata 21 Jona 2011

15 volana aty aorian’ny nananganana azy dia mbola banga telo ny toerana ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI.

 Raha tokony ho 19 ny isan’ny mpikambany ao, araka ny voatondron’ny andininy faha-5 ao amin’ny didim-panjakana 2010-142 tamin’ny 24 martsa 2010, manangana sy mamaritra ny asa aman’andraikitry ny CENI, dia ny 16 no am-perinasa. Amin’izy ireo indray anefa dia mbola resabe ny eny anivon’ny antokon’asa sasany ny fomba nanendrena ny solontenany ao, toy ny an’ny mpanao gazety. Ny amin’ireo toerana telo banga indray dia natokana ho an’ny mpanohitra ny fitondran’ny Fahefana avon’ny tetezamita, ka samy manana iray amin’izany ny ankolafy isany Ratsiraka, Zafy Albert ary Ravalomanana, raha ny fotokevitra tamin’ny nananganana ny CENI.

Nanamafy ny mbola fahabangan’io toerana telo io Ratsirahonana Norbert Lala, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sady mpanolotsaina politikan’i Andry Rajoelina raha nivahiny tao amin’ny TV Plus ny alin’ny zoma 17 jona teo ny tenany. Inona no tsy namenoana ny toerana banga raha toa ka ambara fa solontenan’ny mpanohitra tokoa ireo milaza fa Tiako I Madagasikara toa an-dry Raharinaivo Andrianatoandro andaniny sy ny elatra Rakotoarison Yves Aimé ankilany, miampy ny Hery Politika Mitambatra tarihin-dRalison Roger, sy ireo Arema nisintaka, ka niditra ao anaty governemanta sy Kongresin’ny tetezamita ?

Mandra-pahoviana koa no hamenoana ny banga, satria ankoatra ireo toerana telo ao amin’ny CENI dia tsy feno mandrak’ity ny anio koa ireo toerana enina banga ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, hatramin’ny nananganana azy ny oktobra 2010. Na izany aza dia tsy atao mahagaga io fahabagan-toerana miseho eo anivon’ny CENI sy ny Kongresin’ny tetezamita io, fa mpiseho amin’izao fitondrana izao izay endriky ny tsy fahatomombanany. Rava ihany mantsy ny HAT ka novaina ho CST na Filankevitra Ambonin’ny tetezamita fa dia nijanona ho banga tao ny toerana tokana nambara fa ho an’ny mpanohitra tao, ka raha tokony ho 41 dia 40 ihany no voatendry ny volana aprily 2009. Mbola voatendry ho governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara koa aza ny iray tamin’ireo mpikambana voatendry.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT