Politique

CEMGAM Ndriarijaona André Tanjona ny hampihenana ny asan-dahalo


  • Alarobia 03 Aogositra 2011

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tany Ambatondrazaka ny faran’ny herinandro teo ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika malagasy, ny jeneraly Ndriarijaona André.

 Tamin’izany no nanambarany fa misy ny ezaka ho famongorana ny asan-dahalo eto Madagasikara, toy ny fametrahana ny Détachement Autonome de Sécurité (DAS) na miaramila manokana any amin’ireo Kaominina sivy anatin’ny distrika roa dia Ambatondrazaka sy Amparafaravola. Hitohy ny fanitarana ireo toerana hametrahana ny DAS ka arakaraka ny hoenti-manana no hanatanterahana izany. Mahakasika ny ho fametrahana Rezimanta miaramila any Ambatondrazaka dia nambarany fa efa tamin’ny taona 2007 no namolavolana izany saingy ny teo amin’ny lafiny hoenti-manana no tsy nahatanteraka azy. Fampihenana 60 isan-jato ny asan-dahalo no tanjona, hoy izy ka miara-misalahy ao avokoa ny polisy sy ny zandary ary ny miaramila. Atao ho zava-dehibe  ny fanomezam-baovao avy amin’ny vahoaka. Hafatra ho an’ireo mpitandro ny filaminana mba hanaja tsara ny andraikiny sy hitsinjo ny vahoaka no namaranany ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tany Ambatondrazaka ity.

 

Niry A.

 

Sary : CEMGAM Ndriarijaona André nitafa tamin'ny mpanao gazety

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT