Vao tsy ela akory izay no nambara fa hoe : roa na telo taona ihany no eo amina toeram-pibaikoana ny manamboninahitra iray dia soloina
Nandritra ny fanendrena ny jeneraly Richard Ravalomanana ho komandin’ny zandarimariam-pirenena moa no nivoahan’io resaka io. Hatramin’izao anefa dia tsy mbola niova ny CEMGAM na Lehiben’ny etamazaoro jeneralin’ny tafika Malagasy. Nanomboka tamin’ny martsa 2009 no efa teo amin’io toerana io ny jeneraly Ndriarijaona André, nisalotra ny gradina kolonely izy tamin’izany fotoana. Raha ampiharina ilay kajy voalaza tery ambony, dia tokony ho efa tamin’ny martsa 2012 izany no nosoloina ny CEMGAM, izy rahateo efa nahenoana resaka misimisy ihany fa hoe tsy dia tsara fifandraisana amin’ny ao Ambohitsorohitra. Ny Lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina aza dia nanambara ho fanta-bahoaka fa anisan’ireo niara-dia tamin’izy ireo nikononkonona ny raharaha BANI tamin’ny 17 novambra 2010 ny jeneraly Ndriarijaona André.
Nitranga indray ilay fikomiana teny amin’ny RFI tamin’ny herintaona dia efa voahoso-potaka indray ny anaran’ity manamboninahitra ity fa hoe tena tsy mahafehy ny tafika sy tsy mahavita mampihatra ny fitsipi-pitondran-tena miaramila. 2013 ihany anefa isika izao, fa dia mbola tsara toerana eny Andohalo eny ny lehilahy, ary izy irery, no tsy voailika na nafindra toerana tamin’ireo manamboninahitra nanohana an-dRajoelina tamin’ny 2009. Fa inona ary no mety ho anton’izany ? Moa va atahorana hamoaka tsiambaratelo tahaka an-dry jeneraly Rakotonandrasana Noel sy kolonely Charles, ny CEMGAM raha toa ka esorina amin’ny toerany ? Sa ve tsy misy ny manamboninahitra sahy mandray io toerana tena saropady io ?
Mbola ankamantatra ny amin’izany rehetra izany fa ny azo antoka fotsiny aloha dia fahefan’ny filohan’ny tetezamita, izay filoham-panjakana no manolo na mamindra toerana tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena, na sivily io na miaramila. Matoa mbola tafajanona eo amin’ny toerany ny CEMGAM dia mbola atokisan-dRajoelina izy na dia marisarisa aza ny tafika mba tsy hilazana fa hatramin’ny nahateo amin’ny fibaikoana ny CEMGAM amin’izao no nitrangana disadisa niseho tamin’ny endrika samihafa teo anivon’ny tafika Malagasy. Mila ho isan-taona no nisy fikomiana, nanomboka teny amin’ny RAS ny 28 desambra 2009 izany, dia ireny teny amin’ny RFI tamin’ny 2012 ireny ny farany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.